Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Ankazobe – Lehilahy iray rotidrotiky ny balan’ireo jiolahy

Feom-bala tokana no nipoaka tany amin’ny fokontany Antaniditra, kaominina Antakavao, distrikan’Ankazobe, ny alin’ny alatsinainy lasa teo. Dimy lahy nirongo basy no nandondona tao amin’ny tokantranon’olona iray tao Amboasarikely. Rehefa nanokatra izany ny tompon-trano dia tifitra avy hatrany no nitsena azy. Nipitika iray metatra niala ny varavarana ilay raim-pianakaviana ary maty tsy tra-drano. Nitsoaka avy hatrany vao nahita azy tsy niaina intsony ireo olon-dratsy.

Tsy fantatra mazava hatreto ny anton’ity famonoana ity fa ahiana ho valifaty. Nanambara anefa ireo mpiara-monina aminy fa olona tsy tia rahoraho sady tsotra eny amin’ny mpiara-belona ilay namoy ny ainy. Nidina teny ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana ary nanokatra fanadihadiana mahakasika ity vono olona ity.

 

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre