Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Fanakanan-dalana – Mpamily taksi-môtô maty voatifitra

Mbola mahazo vahana ny fanakanan-dalana any amin’ny distrikan’i Miandrivazo amin’izao fotoana izao. Taksi-môtô iray mampitohy ny Betalatala sy Miandrivazo  any amin’ny lalam-pirenena Rn34 no lasibatra ny andian-jiolahy mitam-piadiana, ny 26 aprily tamin’ny 5ora hariva. Nitondra olona efatra ho any Betalatala ilay taksi-môtô no nosakanan’ny jiolahy roa nitondra basim-borona iray. Tsy nisy alaharo alaharo fa niraradraraka ny tifitra nataon’ireo olon-dratsy ka nahavoa ilay tovolahy mpamily vao 32 taona monja. Voa teo amin’ny masony izy ary maty avy hatrany. Ahiana ho resaka valifaty ihany anefa ity tranga-javatra ity satria tsy naka na inona na inona tamin’ireo lasibatra ireo jiolahy fa nitsoaka avy hatrany rehefa maty ilay mpamily. Misokatra ny fanadihadiana ary ny borigadin’i Miandrivazo no mandray an-tanana ny raharaha.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre