Ihorombe – Malaso roapolo nanafika ny tanànan’Iakora
Miverina amin’ny heriny indray ireo malaso any amin’ny faritra Ihorombe. Ny alin’ny alarobia lasa teo, tamin’ny 11ora dia andian-dahalo miisa 20 no tonga nanafika ny tampom-tanànan’Iakora. Nampihorohoro tanteraka ireo olon-dratsy nandritra ny fanatanterahana ny fanafihana izay naharitra antsasakadiny teo ho eo, tamin’ny fanapoahana basy variraraka. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ireo fokonolona vantany vao niditra ny tanàna ireo dahalo saingy tsy nigadona tao an-toerana mihitsy ireo manam-pahefana raha tsy ora iray taorian’ny nandehanan’izy ireo, araka ny loharanom-baovao. Vokany, lasa ny omby maro be izay mbola tsy fantatra ny isany.
Kivy tanteraka ny fokonolona any Iakora manoloana ity fihetsika nataon’ny miaramila sy zandary any an-toerana ity. “Aiza ny mpitondra fanjakana amin’izany sa ve tsy manafika anareo ireo dahalo fa manana mpiambina ianareo dia tsy miraharaha ny vahoaka madinika intsony? Mampalahelo ny fihetsik’ireo mpitandro filaminana ary mampametra-panontaniana ihany hoe nanao voady hiafina fa tsy hiaro ny vahoaka sy ny fananany no nahatongavany eo”, hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana nifandray taminay an-telefaonina.
Laurena Nany