Asa tandrametaka
Nikoropaka tampoka ny fitondram-panjakana nanamboatra sy nanadiodio ny lalana sy ny toerana rehetra handalovan’i Ban Ki-Moon sekretera jeneralin’ny firenena mikambana. Nanaitra ny maro ny fanenjehana ireo mpivarotra teny Andrefan’Ambohijanahary sy ny fanampenana haingana ireo lavadavaka teny amin’ny lalana. Gaga sady nalahelo ny vahoaka satria mahay mihetsika ihany ny mpitondra rehefa manan-danja aminy ilay olona handalo amin’ireny lalana efa mampiteny ny moana ireny. Efa hatramin’ny taona 2014 anefa ny vahoaka malagasy no mitaraina tsy an-kijanona amin’ny loton’ny tanàna sy ny haratsian’ny fotodrafitrasa nefa tsy asian’ny mpitondra valiny izany. Tena efa fanaovana tsinontsinona ny vahoaka kosa raha olona sendra mandalo tsy ampy 48 ora akory no hijanonany eto no andriandrianina sy hamoronana ny lazaina fa tsy misy e ! Ankoatra an’i Ban Ki-Moon dia lasa miteraka savorovoro be ihany koa ny fanamboarana lalana vaovao izay tsy maintsy handravana tranon’olona marobe satria ilaina amin’ny fandraisana ireo vahiny mpandray anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia. Raha ny kabarin’i Ban Ki-Moon omaly anefa no atao indray mijery dia nifantoka tamin’ny famakiana taratasy efa vita soratra mialoha nataon’ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana eto amintsika fotsiny. Fampatsiahivana ireo fepetra fototra ijoroan’ny firenena mikambana amin’ny fanajana ny zon’olombelona ary miampy ireo tatitra statistika mahazatra fotsiny ilay kabary fa tsy nisy zava-dehibe hafa nisongadina. Fampanantenana no nataony fa hitohy ny fiaraha-miasa fa tsy nisy ny fanapahan-kevitra hentitra toy ny fanaovana sonia famatsiam-bola goavana. Rediredy sy famitaham-bahoaka ny an’izay sahy milaza fa tena nitondra fiovana sy tombontsoa hoan’ny vahoaka malagasy ny fitsidihan’i Ban Ki-Moon teto. Na ny nitsidika sy nijery ifotony ny tena zava-misy iainan’ny mponina aza mantsy tsy vitan’ity sekretera jeneralin’ny firenena mikambana izay efa mamarana ny fotoam-piasany amin’ny alalan’ny fitetezana izao tontolo izao ity. Tsy hitany akory fa asa tandrametaka ny fanamboarana ny lalana sy fanadiovana ny tanàna izay tokony ho lalovany tamin’ny fitsidihana tselatra nataony teto. Nahay nanafina tsara ny tsy fahombiazana misy eto amin’ny firenena ny mpitondra ary nahay niray tsikombakomba tamin’izany fomba fiasa maloto izany ireo sampan-draharahan’ny firenena mikambana eto. Safobemantsina sy tsianjery tsara rafitra fotsiny ny resaka fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahana haneho hevitra noresahan’i Ban Ki Moon satria tsy nitondra vahaolana mahakasika izany izy.
Tsy ity fandraisana an’i Ban Ki-Moon ity ihany anefa no asa tandrametaka fa ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny mihitsy. Ireo lalana sasany eto an-drenivohitra izay notapitapenana vao tsy ela akory izay dia efa manomboka feno lavaka be sahady. Io ihany koa ny delestazy fa miverina hatrany nefa nolazaina fa efa mandeha avokoa ny milina mpamokatra herinaratra rehetra ary ampy tsara ny famatsiana. Inoana atsy ho atsy fa haka fanapahan-kevitra hamonoana ny afon’ny sendika izay mikasa hanao fitokonana faobe ny fitondram-panjakana. Ireo sendikalista malagasy rahateo dia efa iaraha-mahalala fa mpibizina ny ankamaroany ka mody mitabataba mba hahazo tsolotra be any ambadika any. Fa tena mankaleo ny vahoaka ny fifandirana misy eo amin’ny Fanjakana sy ny sendikan’ny mpiasam-panjakana izay toa karazan’ny manao sarin’ady ihany satria vetivety dia miravina ny disadisa eo amin’izy ireo na dia tsy voavaha akory aza ny olana. Omen’ny Fanjakana vahaolana tandrametaka ny sendika dia lasa miverina miasa avokoa ary afaka volana vitsy dia miverina indray ny fitakiana ka toy izany hatrany.