Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Kiangara Ankazobe – Trano 20 tafo nolalaovin’ny afo

Nisesisesy ny hain-trano manerana ny Nosy tao ho ao. Tao anatin’ny iray andro monja dia tsy latsaka ny 150 ny trano lasa lavenona. Ankoatra ny fahamaizana tany Taolagnaro sy Manakara ny andron’ny talata lasa teo, izay namoizana aim-behivavy iray sy naharatrana olona miisa 3 ary naharavana trano an-jatony dia nandravarava ihany koa ny afo mbola ny androtr’io hatrany tany amin’ny fokontany Ambohinorina, kaominina Kiangara, distrikan’Ankazobe, tokony ho tamin’ny 3ora. Tsy latsaka ny roapolo ny trano may kila, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Fako nirehitra tao anaty hadivory nampian’ny rivotra no voalaza fa nahatonga ny loza. “Tsy hay na avy  tamin’ inona no nandalovan’ny afo tamin’ny trano iray fa nihitatra izany ka trano tsy latsaka ny roapolo no may. Tsy nisy nahatafavoaka ny entana ny olona ka be dia be izao ireo traboina any an-toerana. Noho izany, miantso vonjy amin’ny tompon’andraikitra izahay”, hoy i Maminirina Roland, mponin’Ambohinorina. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre