Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Mpangalatra lavanila nangatahana mba hatao fitsaram-bahoaka

Tovolahy iray 27 taona kosa indray no nangatahan’ny fokonolona hanaovana fitsaram-bahoaka, tany Antsirabe, fokontany Fotsiarivo, kaominina Analampotsy, distrikan’i Mananara Avaratra. Tratran’ny olona nangalatra lavanila milanja 8 kg tao amin’ny toerana voalaza etsy ambony izy ny  alatsinainy lasa teo. Nitsoaka avy hatrany ny tenany ka nifanenjehan’ny fokonolona ary niafina tany an-tranon-drafozany. Noteren’ity farany hitolo-batana anefa izy ary nanaiky ihany ka nanantona ny borigady Mananara ny tenany omaly, tamin’ny 8ora maraina. Vao nandre izany anefa ireo fokonolona dia nirohotra namonjy ny borigady nangataka ny hamoahana io mpangalatra io mba hatao fitsaram-bahoaka. Raikitra ny horakorako sy tabataba niaraka tamin’ny kiririoka manoloana ny biraon’ny zandary nitaky ny famoahana ilay tovolahy fa tsy nanaiky lembenana ny mpitandro filaminana. Mba hanaparitahana azy ireo dia voatery nampiasa hery ny zandary amin’ny fampiasana ny “munition d’instruction” ka nipetraka avy hatrany ireo vahoaka. Ilay mpangalatra kosa avy eo nalefa any amin’ny borigady Maroantsetra mba hiarovana ny ainy.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre