Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Ikalamavony – Roalahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Mbola mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka eto Madagasikara. Roalahy indray no maty niharan’izany, tany amin’ny distrikan’Ikalamavony, ny alatsinainy lasa teo, tamin’ny 2ora tolakandro. Fanakanana vehivavy roa sy mpianatra roa, tany Marolala, fokontany Imandro, kaominina Mangidy no niantombohan’ny tantara. Avy niantsena tany Mangidy ireo vehivavy ireo no nosakanan’ireo roalahy izay voalaza fa dahalo raindahiny ao an-tanàna. Velona ny hazolava ka nifanenjehan’ny fokonolona izy roalahy ary tsy tratra raha tsy efa tany Ambolomadinika, fokontany Firahinana, kaominina Solila,ao anatin’ity  distrika voalaza etsy ambony ity hatrany. Niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany izy ireo vantany vao voasambotra teo am-pelantanan’ny fokonolona. Vokany, naratra mafy ireo olon-dratsy ka nanaraka hatramin’ny ain’izy ireo noho ny fahaverezan-dra be loatra. Taorian’izay dia voalaza fa tonga teny amin’ny toerana nisian’ny loza ny mpitandro filaminana naka ny razana. Natao, omaly ny fizahana rehetra saingy tsy hay hatreto izay mombamomba azy ireo, araka ny angom-baovao voaray.

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre