Andron’ny « Croix rouge » – Nomarihina tamin’ny fanomezan-dra
Nomarihina, omaly teny amin’ny “Croix rouge” eny Tsaralalàna ny andro maneran-tany ho azy ireo. Raha ny tokony ho izy, ny andron’ny 8 may no fanamarihana izany isan-taona fa noho izy nilatsaka alahady dia nahemotra, ny 11 may mba hampiaina tsara ny fanentanana. “N’aiza n’aiza ho an’ny rehetra”, io no foto-kevitra novoizin’ny Croix rouge maneran-tany tamin’ity taona 2016 ity. Manoloana izay foto-kevitra izay dia ny fanomezana ra no nentina nanamarihana izany satria efa andraikitra noraisin’ny mpikambana ny hamonjy ny mpiara-belona. Ra miisa 500 kitapo no notratrarina nandritra ny hetsika, ankoatra ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Croix rouge dia nisy ihany koa ireo olon-tsotra tonga nanome ny rany ho fanasoavana ny mpiara-belona.
Tsy mijanona amin’ny fanomezana ra io ihany anefa fa hiady amin’ny fiparitahan’ny pesta ihany koa ny Croix rouge, noho io foto-kevitra novoizin’izy ireo io. “Mitolona, miady, manao ny asa fanentanana rehetra izahay mba hisorohana ny fisian’ny pesta eto Madagasikara. Fanasoavana ny mpiara-belona no anaovana ny fanentanana satria efa betsaka ny aina nafoy” hoy i Rakotondranja Claude, filoha nasionaly Croix rouge.
Ny fananana olona miparitaka eran’i Madagasikara, izay natao hanentana ny fiarahamonina mba hanaja ny fitsipika mifehy ny rehetra mba hitandro ny fahadiovana no paikady entina miady amin’izany. Tsy ho tanteraka anefa izany raha tsy misy ny finiavana avy amin’ny tsirairay.
L.N