Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Ankatso Mpamily taksibe mamo nifatratra tamin’ny Bmw

Mbola tsy sitrana akory ny fery sy ny takaitra navelan’ireo mpamily taksibe tamin’ny famoizana ain’olona am-polony maro vao tsy ela akory dia manao ny ataony sahady indray ireto mpihetraketraka ireto. Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray omaly maraina, tokony ho tamin’ny 10ora, teny amin’ny lalana mihazo an’Ankatso iny. Vokatry ny hamamoana teo amin’ny mpamily sy ny mpanampy azy dia nifatratra tamin’ny fiara iray Bmw sy mpitondra bisikileta iray ny taksibe manao zotra 119. Tsy nisy ny aina nafoy fa ilay mpitaingina bisikileta kosa naratra mafy ary potika tanteraka ilay fiara Bmw  mifanandrify amin’ny toeran’ny mpamily.

Nahasorena ny maro teny amin’iny toerana iny ity lozam-pifamoivoizana ity noho ny tsy fitandreman’ireo mpamily hatrany. “Tsy misy vokany ny fanentanana natao sy ny fanasaziana ireo mpamily taksibe. Toa vao mainka aza manapatra ny maha jiolahimboto azy izy ireo. Aiza ve vao amin’ny 10ora maraina dia efa mamo sahady ry zalahy nefa ain’olona maro no entina. Milah entitra ny fanjakana amin’ireo mpitatitra ireo fa raha tsy izany dia ho gaboraraka hatrany ny fiara fitateram-bahoaka”, hoy ny olona iray nanatri-maso ny zava-nisy.

 

L.N

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre