Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Fiahiana ara-tsosialy – Nahazo fiofanana ireo mpianatra nahavita fianarana

Taorian’i Toamasina dia nihazo ny anjran’i Moramanga indray ny fiofanana natolotry ny CNaPS izay nanomboka ny alatsinainy teo ary tsy nifarana raha tsy ny alaroabia 11 may. Toerana faha-05 nanaovana ny fiofanana i Moramanga ho an’ity taona 2016 ity. Kendrena ny fandraisana anjaran’ny mpampiasa rehetra satria izy ireo no tompon’ny adidy amin’ny fiarovana ny mpiasa izay tompon’ny zo ara-tsosialy. Ambony ny taham-pahavitrihan’ireo mpiofana raha oharina tamin’ny taona 2012, araka ny fanazavan-dRandrianarijaona Charles Emilson, lehiben’ny sampan-draharaha Sass. Nanaitra sy nampiavaka ny fiofanana ny fisian’ireo mpianatra nalefan’ny tale jeneralin’ny Fanalamanga mba hiofana. Andiany Mamiratra ireo mpianatra ireo, izay vao nahavita fianarana momba ny fitantanana ara-bola (na comptabilité).

Nazava tanteraka tamin’ireo mpiofana ny karazana fanampiana omen’ny CNaPS ny mpiasa nandritra ny fiofanana dia ny fanampiana ny fianakaviana, ny fanampiana raha tra-doza sy marary vokatry ny asa ary ny fisotroan-dronono. Tsy mahazo izany anefa ny mpiasa sy ny vady aman-janany raha tsy manefa ny adidiny ny mpampiasa. Nanamafy izany rahateo ireo mpampiofana avy amin’ny Sass ary nilaza fa « ny fiahiana ara-tsosialy dia andraikitry ny rehetra » ka ireto mpiofana ireto no ho ambasadaoron’ny CNaPS hizara amin’ny mpiara-belona aminy ny fahalalana azo mba hananan’ny olona ny fizakana ny zo ara-tsosialy ka tsy tokony hisy very zo, ary hitombo isa ny Malagasy hizaka ny zo sy ny fiahiana ara-tsosialy.

 

Nangonin’i L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre