Afham – Mikasa ny hanova ny rafitry ny mpanao lalàna
Mbola sarotra ny fidiran’ireo olona manana fahasembanana amin’ny sehatry ny asa eto Madagasikara. Raha ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana Afham (Association des femmes handicapées de Madagascar) tamin’ireo orinasa miisa 50 teto an-drenivohitra dia tsikaritra fa tsy miraharaha ireo olona manana fahasembanana izy ireo. Ny lalàna anefa mamaritra tsara fa ny olon-drehetra dia afaka miasa anaty tontolo ara-drariny ary mandray karama mitovy amin’ny rehetra. Ny olana eto Madagasikara anefa dia tsy misy fampiharana ireo lalàna ataon’ny fanjakana sonia mandritra ireny fivoriam-be sy fandaharam-potoana iraisam-pirenena ireny ka voatery mamoaka lalàna sadasada fotsiny ihany. Ny fanamby ny Afham hatramin’ny 2020, noho izany dia hanova ny rafitry ny mpanao lalàna eto Madagasikara amin’ny alalan’ny famoahana ny lalàna izay hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ireo manana fahasembanana.
“Hisy ny fivoizana resaka asa ary indrindra ny fanentanana ireo mpitondra fanjakana satria mila manana asa ny olona iray raha tiana handroso ny fiainany. Asa tsy ara-dalàna aloha hatreto no iveloman’ny ankamaroan’ny vehivavy manana fahasembanana toy ny fivarotana amoron-dalana. Ny fametrahana lalàna sy fampiharana izany ihany no manova ny fiainan’ny sembana amin’ny alalan’ny fifanarahana arak’asa”, hoy ny filoha nasionalin’ny Afham, Razafinjato Fela, omaly nandritra ny atrik’asa notanterahana. Efa dimy taona no nijoroan’ny Afham ary miisa 22 ireo mpikambana mandrafitra azy. Toerana 12 isanka ny faritra no ahitana azy.
Laurena Nany