Ankorahotra – Vehivavy maty nodomin’ny skotera, nandositra ilay mpamily
Mitohy ny faty olona vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto an-drenivohitra. Nijininika ny ra eran’ny arabe, ary vetivety dia nitangorona ny olona teny Ankorahotra, ny harivan’ny alarobia, tamin’ny 6ora sy sasany. Vehivavy iray, tokony ho 40 taona any ho any no namoy ny ainy nofaohan’ny môtô skotera. Niampita lalana tampoka izy no nohosen’ilay môtô nentin’ny tovolahy iray, izay nirimorimo fatratra, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny nanatri-maso ny loza. Nivoaka avy ao anelanelan’ny fiara milahatra amin’ny fitohanana ilay ramatoa raha toa ka mandeha mafy miala izany ilay skotera. Nipitika iray metatra nisian’ny loza ilay niharam-boina sy nitontona tamin’ny tany. Vokany, maty teo no ho eo izy. Ilay nahavanon-doza kosa tsy nijanona fa nanohy ny diany hatrany ary vao mainka aza nampiakatra ny hafainganam-pandehany satria mety natahotra ny hiharan’ny fitsaram-bahoaka. Niezaka nanenjika azy ihany ny lehilahy iray niara-dia tamin’ilay ramatoa saingy tsy tratra intsony ary tsy misy ihany koa fomba mba hahalalana azy. Noho io lozam-pifamoivoizana io dia vao mainka niraikitra tsy nihetsika mihitsy ny fitohanana teny an-toerana nandritra ny adim-pamataran’ora maro. Nidina teny an-toerana kosa ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo nanao ny fizahana ary natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’izay.
Laurena Nany