Lasa ravaky ny tanàna ny miaramila !
Nanaitra ireo rehetra izay nandalo teny Analakely sy ny manodidina omaly ny hamaroan’ny mpitandro filaminana manemitra ny lapan’ny tanàna sy ny manodidina azy. Tsy toy ny mahazatra fa tena nisy karazany maro izy ireo ary samy nanao fanamiana fitondra miady avokoa. Tsy fantatra intsony hoe iza avy sy avy aiza fa nifangaro ary lasa toy ny ravaky ny teo afovoan-tanàna mihitsy ny nijery azy ireo. Tao ireo nanao satroka mena ary nisy ihany koa nisatroka mainty. Ny hafa indray namoritra tanan’akanjo nampiseho ny sandry be vonona hiatrika izay zava-mitranga rehetra. Raha ho an’ireo tsy mahalala dia toy ny hoe hisy fifampitifirana sy ady goavana teny Analakely raha ny fahavononan’ireo miaramila no jerena. Nisy nitondra hazo fikapohana izy ireo saingy betsaka ihany koa no nitondra basy kalaky amin’ilay fitondra miady ary mamono mahafaty avy hatrany raha voatifiny.
Hentitra ary tsy nivazivazy ireo miaramila marobe ireo. Maro ny lalana notapahina ho an’ny fivezivezen’ny fiara ary tsy navela handehanan’ny mpandeha an-tongotra ihany koa. Nahasorena ny vahoaka izany saingy tsy afa-manoatra nanoloana ny basy nirangaranga ny mpandalo. Ireo miaramila rahateo na nampitahotra aza ny nijery azy ireo dia nampiseho fihetsika mahalala fomba sy nahay nandresy lahatra ny vahoaka mba hanaraka ny fandaminana. Tsy mbola nisy mpitandro filaminana manao fanamiana fitondra miady sady nirongo fitaovam-piadiana marobe toy ireny teny Analakely hatramin’ny niandohan’ity Fanjakana tantanin’ny antoko politika HVM ity. Toa te hampiseho ny mpitondra fa misy zavatra mampanahy azy any ho any indrindra amin’izao fotoana mampalaza ny resaka fanonganam-panjakana izao.
Raha ny fanazavan’ilay kolonely nitarika ny andian-tafika teny Analakely omaly dia ho fitandroana ny filaminana amin’ny fankalazana ny fahatsiarovana ny tolom-bahoaka tamin’ny 13 may 1972 no nahatonga azy ireo marobe toy ireny. Efa nolazain’ny manam-pahefana mantsy fa tsy azo atao ny manao fivorivoriana eny Analakely sy Ambohijatovo nefa raha ny hita dia nisy andian’olona nijorojoro sy nihainohaino ihany teny. Nosokafan’ny kaominina Antananarivo ho an’ireo te hametraka fehezam-boninkazo fahatsiarovana rahateo ny kianjan’ny 13 may ka maro ireo mpitari-tolona no tonga nanao ny adidiny teny. Natahotra noho izany ny mpitondra Fanjakana ka naleony nandefa mpitandro filaminana marobe mba hisorohana ny fihoaram-pefy sy ny fanararaotana mety hitranga. Tsorina tokoa aloha, ho an’izay nanatri-maso teny Analakely omaly dia efa nisy andian-dehilahy nivorivory nitsitokotoko tsy lavitra ireo magazay lehibe eny an-toerana ny maraina. Tsy fantatra izy ireny na mpanohana ny tolon’ny 13 may na mpanakorontana sy mpandroba tsotra izao fa dia niatrana am-bava-basy avy hatrany ny mpitandro filaminana.
Nisy ihany koa antokon’olona hafa izay vehivavy no maro an’isa tonga teny Analakely ka nitabataba sy nitaraina ny alahelony tamin’ireo miaramila sendra azy izy ireo. Hita ho sahirana ihany ireo niam-basy satria baiko no azon’izy ireo nefa rehefa tena nohenoina ny vazavazan’ireo andiam-behivavy dia toa marina sy mitombina ihany.
Tsy be olona nanatrika ny fanateram-boninkazo teny analakely satria raha atambatra ireo delegasiona politika mitsitokotoko tonga teny dia tsy ampy zato akory ny isan’izy ireo. Soa ihany hoy ny vazivazin’ireo nanatri-maso fa betsaka ny mpitandro filaminana mba nandravaka ny manodidina ny kianja ka toy ny mba tena nisy zava-dehibe nitranga mihitsy teny raha ny fijoron’izy ireo fotsiny no notazanina avy lavitra. Nivalona izany iny ny fahatsiarovana ny faha-44 taonan’ny hetsi-bahoaka 13 may 1972 ary tamim-pilaminana tanteraka no nanaovana azy na dia efa nikoropaka sy nihorohoro fatratra aza ny mpitondra Fanjakana. Hendry ny vahoaka malagasy ary nampiseho ny fahendreny sy ny maha matianina azy ireo ihany koa ny mpitandro filaminana. Ankolafiny roa samihafa tokony hifanohana sy hifanome tanana ary hiray hina ny vahoaka sy ny miaramila fa ny mpitondra Fanjakana mihitsy no manao izay hampifandrafy azy ireo.
Ravalo tsy Manana