Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Nalahelo an’i Bob Marley – Namono tena ilay rasta mpandrongony

Tsy nahazaka ny rongony nofohany dia namono tena tamin’ny fisotroana fanafody famonoana bibikely Nuvan ny lehilahy mpankafy ny gadon-kira Reggae fantatry ny maro amin’ny hoe rasta izay monina amin’ny fokontany Ampasikibo Toliara. Ny alarobia lasa teo, andro nahatsiarovana ny nahafatesan’ilay mpihira jamaikanina izay namorona sy nanaparitaka ny reggae no nanatontosany izany famonoan-tena izany. Raha ny fanazavan’ireo olona akaiky azy dia efa revin-gadrany hatramin’izay, rehefa entanin’ny rongony fohany izay izy, ny ho faty amin’ny andro nahafatesan’i Bob Marley. Notanterahiny tokoa izany ny andron’ny 11 may ka rehefa namono eritreritra tamin’ny rongony dia nogohany ny fanafody famonoana tena. Tsy maty avy hatrany anefa izy fa mbola nandoa eran’ny trano ka nisy nahita ary nentin’ny havany haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana. Mba avotra soa aman-tsara fa tsy lasa razana nanaraka an’i Bob akory izy. Ankehitriny moa dia efa misy lasa karazan’ny fivavahana mihitsy ny resaka rasta ka tena fatra-panaja ny fombafomba amin’izany ireo mpankafy Reggae. Na manjaka aza ny fifohana rongony ao amin’ity tontolo iray ity dia tsy natao hanaovana hadalana izany fa kosa entina mametraka fiarahamonina vaovao hanjakan’ny fifankatiavana sy fandriam-pahalemana hoy ireo tena rasta. Tsy jiolahim-boto sanatria ny rasta ary tena manana ny fahendrena mampiavaka azy ireo, izay tsy takatry ny maro matetika.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre