Tsy fandriam-pahalemana – Tonga eto Iarivo ny mpangalatra lakolosy
Mikisaka tsikelikely ary efa tafakatra eto Antananarivo ny mpangalatra lakolosim-piangonana. Farany teo dia teny Ambohimanambola no nisy fiangonana very lakolosy. Andro alina no nandroban’ireo mpangalatra izany ary tsy nisy naheno ny mponina tao an-tanàna na iray aza. Ny maraina efa mazava vao samy gaga sy talanjona ny rehetra raha nahita fa nanjavona ity fananam-piangonana. Tsy mirakla na fahagagana toy ny fandre no nahatonga izany fa tena vokatry ny asa ratsin’ny olombelona nofo sy rà mihitsy. Nangalarina ilay lakolosy fa tsy nanjavona akory. Tany amin’ny tapany atsimon’ny Nosy tany no tena nahenoana voalohany ny halatra lakolosim-piangonana volana vitsivitsy lasa izay. Pasitera tao amin’ilay fiangonana zandriny ihany no voarohirohy ho nibizina ny lakolosy tamin’io tranga voalohany io. Nihitatra tsikelikely ary nisandrahaka hatraty am-povoan-tany izany taty aoriana. Araka ny fantatra dia vy be amin’ilay tena tsara karazana no fanamboarana ny lakolosy ka io no tena akan’ny mpangalatra azy. Ahian’ny maro ho misy tambazotra mitady sy mividy lafo io vy io izay akora fototra tena ifampitadiavana amin’izao fotoana izao. Taorian’ny halatra taribian’ny Jirama sy ny vy amin’ny lala-masinin’ny orinasa Mada Rail dia mitodika any amin’ny lakolosim-piangonana indray ny halatra vy. Heverin’ny olona fa mety haondrana any ivelany, toy ny efa fahita, ireo vy halatra ireo.
Dom