Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Fanabeazam-pirenena – Tsy sahy mitokona ireo Ecd tsy nandray karama

Tsy ny mpampianatra ihany no manana olana eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa ireo mpiasa manana fifanarahana sy maharitra na Ecd araka ny fahalalan’ny maro azy. Araka ny fitarainan’ny sasany amin’izy ireo dia misy ireo tsy nandray karama tao anatin’ny 5 volana, izany hoe hatramin’ny niandohan’ity taona 2016 ity. Tsy sahy miteny sy manao fitokonana anefa izy ireo satria matahotra sao ho tezitra ny tompon’andraikitra ambony ka hanao fandroahana faobe. Miisa 50 any ho any ireo mpiasa ireo ka tambin-karama no tena filaza io tsy voarain’zy ireo io. Mandray Ariary 240.000 isam-bolana izy ireo, izay mitontaly ho 1,2 tapitrisa Ariary izany ny karama tsy voaray tao anatin’izay 5 volana izay. Raha atontaly izany dia mila manomana any amin’ny 60 tapitrisa Ariary any ho any ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenana handiovana ny volan’ireto mpiasa ireto. Fantatra fa misy no efa niasa tao nandritra ny 6 taona nefa tsy mety voaray ho mpiasa raikitra hatramin’izao. Matetika dia nampidirina tamin’ny alalan’ny fahafantarana olona ireny mpiasa ireny rehefa misy ny fiovan’ny mpitondra. Raha vao miova anefa ilay minisitra, na tale, na lehiben’ny sampan-draharahana nampiditra azy ireo dia tsy te hahalala intsony ny tompon’andraikitra vaovao fa mampiditra olona hafa indray.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre