Zaza iray maty – Tonga eny Fenoarivo ny Pesta
Zaza iray no maty vokatry ny aretina hafahafa teny Fenoarivo tamin’ity herinandro ity. Efa nentina tany amin’ny dokotera ihany izy mba hotsaboina sy nozahan’ny mpitsabo ary nalefa nody avy hatrany taorian’izay. Tsy tana anefa ny ain’ilay ankizy rehefa tonga tany an-tranony. Efa maty izy, izay vao fantatry ny mpitsabo fa pesta no nahavoa azy. Nikoropaka ny rehetra ary natao avy hatrany ny fandevenana mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina ka hampihitatra izany amin’ireo olona nifandrairay tamin’ilay zaza. Nanaovana fasana anirotra haingana ary natao nanaraka ny fombafomba takian’ny fitsaboana ny fandevenana mba ho fisorohana ny fifindran’ny aretina. Mampiseho ity tranga iray ity fa mbola lavitra ny ezaka iadiana amin’ny valan’aretina pesta eto Madagasikara ary efa mananontanona ny fidirany eto an-drenivohitra. Zava-doza no hitranga raha sanatria ka tafiditra eto ity aretina ity satria iaraha-mahalala ny loto sy ny fako ary ny fiparitahan’ny voalavo eto. Mila mandray fepetra faran’izay haingana, noho izany, ireo tompon’andraikitra isanisany mba hisorohana ny fiparitahan’ny aretina.
Dom