Antsahavola sy Analakely – Mangalatra ny Easy Park, mody fanina ny kaominina
Mampitaraina ireo mpametraka fiara eny Analakely sy Antsahavola ny afitsok’ireo mpiasan’ny Easy Park, izay natao handamina ny fiantsonan’ny fiara. Miafina mantsy ireo olona nokaramaina hivarotra ny taratasy fahafahana mijanona mandritra ny ora iray amin’ny sandany Ariary 500 rehefa misy fiara hijanona. Vao mivoaka mandeha mitady ireo mpivarotra ny taratasy fiantsonana ny mpamily dia efa tonga ireo mpiasan’ny Easy Park hafa natokana hametraka ny taratasy fanasaziana. Efa fomba fiadin’ireto mpiasa ao mihitsy ity zava-mitranga ity raha ny fijerin’ireo mpitondra fiara azy mba hahazoan’izy ireo vola be ao anatin’ny fotoana fohy. Lasa olana ho an’ny vahoakan’Antananarivo ny tolotra omen’ny Easy Park raha toa ka noheverina hanamora ny fitantanana sy ny fandrindrana ny fiantsonan’ny fiara ao afovoan-tanàna izany tany am-boalohany. Sady efa mikepoka ny 80 isanjaton’ny vola avoakan’ny olona ary tokony hiditra any amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina ity orinasa iray ity no mbola manao fihetsika toa miharo fisolokiana ihany koa ny mpiasany. Raha ny hita aloha dia tsy misy ankoatra ny mitango vola no ataon’ny mpiasan’ity orinasa ity. Eny Analakely, ohatra, tsy mba manampy ny mpamily hampiditra sy hamoaka ny fiara ny mpiasa fa ireo tovolahy mpijorojoro mahazatra eny Analakely ihany no manao izany. Voatery mandoa vola in-droa ny mpitondra fiara satria sady tsy maintsy mividy ny taratasy fahazoan-dalana no manome kely ireo tovolahy mikarakara sy miambina ny fiara. Manoloana izany rehetra izany dia mangina sy tsy ahitan-teny ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra nefa misy ben’ny tanàna voafidy ara-dalàna ary nampanantena fa hanao izay hanamaivanana ny fahasahiranam-bahoaka manoloana ny fahantrana sy ny tsy rariny amin’ny endriny rehetra.
Dom