Mpianatra ambany fisainana !
Rehefa nitonitony kely dia rafitra indray ny ditran’ny mpianatry ny oniversiten’i Mahajanga. Nifamono sy nifandratra ary nanimba fananam-panjakana noho ny disadisa sy lonilony ara-piaviana. Mahamenatra ary tena mampanongo tena hatrany ny fahenoana ady nateraky ny fiaviana eny amin’ny oniversite. Noheverina ho manam-pahalalana ary efa tsy azo rebirebena amin’ny fomba fiadin’ny zarazarao hanjakana intsony mantsy ny mpianatry eny amin’ny ambaratonga ambony izay sady nahazo fanabeazana ampy sy toe-tsaina liam-pivoarana ary fahaizana amam-pahalalana mihoatra ny an’ny sarambabem-bahoaka. Tsy vao izao no nisian’ny adim-poko sy adim-piaviana teny amin’ireo oniversiten’i Madagasikara fa efa mateti-pitranga ny fifamonoana sy fifankahalana ary efa nisy izany avy koa ny oniversiten’i Toamasina, Antsiranana, Antananarivo, Fianarantsoa, Mahajanga, ary Toliara. Efa tena toe-tsaina tsy mendrika ary tsy azo leferina intsony kosa raha ireo tanora manam-pahaizana antenaina fa hitondra ity firenena ity no mbola manambany tena amin’ny adin’ny samihafa fiaviana. Nazava be ny zava-nisy tany Mahajanga fa efa lonilony hatramin’ny ela ary ny tena loza dia ireo fikambanan’ny mpianatra izay nantenaina ho fitaizana sy fifaninanana indray no nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fifandonana.
Efa nilaozan’ny toetr’andro izany toe-tsaina mivoy ny fizarazarana sy firesahana fiaviana izany raha eto Madagasikara. Raha olona tena misaina sy afaka mieritreritra dia efa manaiky fa vahoaka iray ny malagasy ary tsy azo rebirebena amin’ny fifankahalana satria samihafa foko. Raha iny zava-nisy tany Mahajanga iny no jerena dia hita fa be loatra ireo tanora no tafiditra eny amin’ny oniversite nefa ny toe-tsaina mbola tsy mendrika ny fivoarana sy ny fandrosoana. Tsy ao amin’ny oniversiten’i Mahajanga irery no misy mpianatra vitsy an’isa manao toe-tsaina toy izany fa saika amin’ny oniversite rehetra mihitsy. Resaka fialonana sy ady sipa any ambadika any dia ny fikambanana no ajabaka sy rangitina mba hiady sy hanala baraka ny toerana niaviana. Inoana marimarina mantsy fa raha ireo olobe avy amin’ny faritra samihafa dia tsy hampiseho fihetsika feno herisetra toy inynitranga tao Mahajanga iny mihitsy. Tsy misymaha samihafa ny mpianary ny oniversitemifamono sy mifandoro tranaoamin’ireo foroche izay lazaina fa jiolahim-boto feno herisetra any amin’ny faritra avaratry ny Nosy iny. Asa raha mba fantatr’ireo mpianatra mivoy ny fifankahalana nohon’ny resa-piaviana fa na ny gadra any Antanimora sy Tsiafahy aza dia tsy manao ankolafiny amin’izany fiaviana izany mihitsy. Ny tena olana amin’itony herisetra eny amin’ny oniversite itony dia vitavitan’ny famonoana omby sy famitranam-pihavanana eny ny raharaha ary tsy mahazo sazy mifanaraka amin’ny zava-doza nataony ireo rangory fototry ny afo nitarika ny korontana.
Mahatsiravina araka ny fomba fitenin’ny tanora ity resaka fivoizana fiaviana ity ary tena lasa vato misakana amin’ny asa fampandrosoana ny firenena mihitsy. Hatrany amin’ny fitondram-panjakana aza dia efa aretina mikiky ary anisan’ny antony voalohany mampahantra ny firenena ny ankitranoantrano ataon’ny minisitra sasany. Misy minisitera mantsy dia havana sy iray fiaviana ary iray foko amin’ny minisitra avokoa ny ankamaroan’ny mpiasa rehetra ao nefa tsy hita izay tena vokatra azo amin’izany. Mazava be raha toa ka hita taratra eny amin’ny oniversite io fifanavakavahana io satria ireny mpianatra ireny avy eo no handimby ireo zoky efa nitana andraikitra teto amin’ny firenena.
Tsy ny fanomezana toerana ny olom-pantatra sy ny fitadiavana tombontsoa ho an’ny faritra niaviana no fomba fiasa ilain’i Madagasikara fa ny fitsinjovana ny vahoaka malagasy iray manontolo tsy misy an-kanavaka. Mila ny fandraisana andraikitr’ireo olobe eto amin’ny firenena mba hananatra sy hanoro ireo tanora mba tsy hivaro-lavo amin’ny fifankahalana ara-piaviana satria efa iaraha-mahita fa tsy nampandroso antsika io fomba fisainana io.
Ravalo tsy Manana