Ambohidratrimo – Mpivarotra atody notafihana dimy lahy
Mandry an-driran’antsy ny mponina eny Ambohidratrimo. Lehilahy iray mpivarotra atody indray no lasibatr’ireo olon-dratsy ny faramparan’ny herinandro lasa teo, tokony ho tamin’ny 11ora sy 45mn, tao Ambodivato, fokontany Mahabo. Tsy nisy nitam-basy izy dimy lahy fa iray nisaron-tava no niditra an-tsokosoko tao amin’ny tokantranon’io lehilahy io. Tsy nandre inon’inona izy fa efa tafiditra ireo jiolahy vao hitany, izay nandrahona hamono hahafaty avy hatrany raha vao nahatsikaritra azy sy nilaza hoe: « Avoahy ny vola fa raha tsy izany vonoinay eto ianao ». Mamy ny aina sady tratran’ny tsy nampoizina ralehilahy ka nanaiky ny sitrapon’ireo jiolahy. Voatery navoaka ny lelavola mitentina 4 tapitrisa ariary. Nandositra tahaka ny tsy teo ireo olon-dratsy rehefa nahazo izay nilainy. Tera-tahotra ny tenany ka tsy sahy nampandre ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona raha tsy efa ora maromaro taorian’ny fanafihana. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny tompon’andraikitra nanao ny fizahana. Efa mandeha ny fanadihadiana.
Laurena Nany