Fahamaizan’ny campus Ambondrona – Nitondra ny fanampiany ho an’ireo tra-boina ny Préfet ao Mahajanga
Manoloana ny hain-trano niseho, tany amin’ny « Campus » Mahajanga, vokatry ny fifandonan’ireo mpianatra tsy mitovy fiaviana dia tonga nijery ifotony ny tranga, teny an-toerana ny Préfet ao Mahajanga, omaly maraina. Tsy nijery ny fahavoazana fotsiny anefa fa nitondra fanampiana ihany koa ho an’ireo mpianatra miisa 114, izay tra-boina. Vary enina gony no nomena azy ireo, izay marihina fa vonjy ranovaky ihany. Nanafatra ireo mpianatra koa ny tenany amin’ny tokony hihavanana na dia tsy mitovy foko aza. Omaly hariva ihany dia nanatanteraka fivoriana ho fivoriana ho an’ ireo Ray aman-drenin’ireo mpianatra nahatonga ny savorovoro ny Préfet, mba hialana amin’ny mety hitohizan’ny fifandonana. Mandra-panamboatra ny trano fonenan’izy ireo dia nanapa-kevitra ny tompon’andraikitra rehetra fa hapetraka vonjy maika ao amin’ny Resto Bleu sy Rouge ireo tra-boina. Nandray fepetra ihany koa ity farany amin’ny mbola hijanonan’ireo mpitandro filaminana eny amin’ny faritry ny Campus ary hanohy ny fizahana atao satria tsikaritra fa betsaka ireo tsy mpianatra mialokaloka ao an-toerana.
Raha tsiahivina dia niafara tamin’ny fandorana trano fonenan’ny mpianatra laharana 29 sy 30 izay ahitana efitrano miisa 12 ny tsy fifankazahoana teo amin’ny Fmaatm avy any Sofia sy Semavi, avy ao Mahajanga. Nisy ny naratra izay mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ary nisy ihany koa ireo nosamborana izay miisa 5, ati-doha nikotrika ny korontana saingy efa navoaka izy ireo. Marihina fa efa fanindroany amin’ity taona ity ny bloc 29 sy 30 no nisy nandoro saingy voavonjy ara-potoana.
L.N