Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Fanolanana sy fanodinkodinana zaza – Am-polony ireo ankizy niharan’izany tany Marovoay

Mahazo vahana tanteraka ny fanolanana sy fanodinkodinana zaza tsy ampy taona, any Marovoay. Nanomboka tamin’ny volana janoary no makaty dia efa maherin’ny folo any ho any ireo zaza niharan’izany hetraketraka izany, araka ny tatitra azo avy amin’ny tompon’andraikitra iray miadidy ny kaomisaria any an-toerana. Ireo zazavavy manodidina ny 12 hatramin’ny 13 taona no tena lasibatra ny fanolanana raha toa ka ireo amin’ny salan-taona 15 kosa no iharan’ny fanodinkodinana. Vao tamin’ny herinandro lasa teo, tovovavy iray no nisy nanolana, tany amin’ny fokontany Mandrosoa, izay 12 km miala ny tanànan’i Marovoay. Nitaraina ny voina nahazo azy avy hatrany ilay zaza ka raikitra ny fitadiavana ilay nahavanon-doza. Tsy lasa lavitra anefa dia tratran’ny fokonolona izy ka noentina tany amin’ny mpitandro filaminana saingy efa nanaovan’ny olona fitsaram-bahoaka izy talohan’izany. Hatreto dia efa betsaka ireo mpanolana no voalaza fa naiditra am-ponja raha ny any Marovoay no asiana resaka fa ity tratra farany ity no mbola notazomina ao amin’ny biraon’ny polisy noho ny, fitokonan’ireo mpandraharaha ny fonja. Ny tena olana any an-toerana anefa  araka ny loharanom-baovao dia  manaiky  ny raharaham-pihavavana ny  ray aman-dren’ireo zaza niharan’ny herisetra satria onerana vola be na omby ny fahavoazana.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre