Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Raikitra ny fanonganam-panjakana !

Tsy niafina intsony ary tsy nanodikodin-dresaka ireo mpanao politika tsy mankasitraka izao fitondram-panjakana mijoro izao fa efa mitaky ny fialan’ny filoham-pirenena sy ny fandravana ny governemanta. Nambaran’izy ireo ihany koa fa efa misy ny fifampiresahana amin’ireo mpitarika sendikaly mba hanakambanana ny tolona ka hahatongavana amin’ny tanjona tiana hotratrarina. Raha ny tantaram-pirenena tokoa mantsy no jerena dia tsy misy mahavita manongana fitondrana izany raha tsy mahazo ny fanohanan’ny mpiasa. Rehefa manao fitokonana faobe ny mpiasam-panjakana sy ny amin’ny sehatra tsy miankiana dia mikatso ny raharaham-pirenena. Tsy vitan’ny mikatso fa lasa manampy isa ireo mpitokana an-dalam-be ny mpiasa ka tsy voasakan’ny mpitandro filaminana intsony. Dia toy izany hatrany ny zava-nitranga teto ary izao tadiavin’ny mpanao politika sy ny mpitarika sendika haverina izao indray.

Mampanahy ny zava-misy satria amin’izao fotoana mahakivy sy mahatofoka ny vahaoaka izao no misy antokon’olona mikatsaka sy mitaky ny fialan’ny mpitondra. Ho mora ho azy ireo kokoa mantsy ny hitarika olona efa tsy faly amin’izao fitondrana izao mba hidina an-dalambe hanerena ny mpitondra hiala. Na ny fihetsiky ny mpitandro filaminana izay tsy manafina ny ahiahy mety hisian’ny fanonganam-panjakana aza dia tena mampanahy sy mahalasa eritreritra. Toa manaporofo fa efa fantatry ny mpitandro filaminana ny fisian’ny andian’olona na andiana miaramila mikatsaka ny hiady handrodana izao fitondrana izao.

Ambonin’izany rehetra izany dia mahalasa saina avokoa ny zava-mitranga etsy sy eroa izay hafahafa tsy toy ny mahazatra. Misy mandoro ny ambany tanàna, mifamono ny mpianatry ny oniversite, vaky ny fonja, ary mandripaka ny dahalo. Efa nitranga avokoa ny loza toy ireo taloha kelin’ny nanombohan’ny krizy ny taona 2009 ireny. Toa mampiseho fa misy tetika fanakorontanana any ambadika any.

Raha ny zava-misy anefa dia  toa tsy rototra firy amin’izany zava-doza mitranga rehetra izany intsony ny vahoaka. Toa zaran’ny olona aza hisy ny korontana sy ny fifanjevoana, raha ny hevitry ny mpandalo eny an-dalana no henoina.

Tsy azo ialana mantsy ny fisian’ny korontana sy ny savorovoro raha toa ka tena miroso marina amin’ny fitarihana olona hidina an-dalam-be ireo mpanohitra milaza fa tsy mety intsony ny hitohizan’izao fitondrana mijoro izao. Tsy hanaiky lembenana ny mpitondra sy ny mpitandro filaminana fa tsy maintsy hanao izay ho afany mba handravana izay hetsika fikasana ny hanonganana azy ireo. Tsy hanaiky ihany koa anefa ny vahoaka fa hamaly dia mazava ho azy fa hisy indray ny fifandonana izay miafara hatrany amin’ny fanaovana sorona ny malagasy mpiray tanindrazana.

Mipetraka ihany ny fanontaniana hoe tena tsy misy hevitra intsony ve handaminana ny zava-misy amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny fifampiresahana sy fitadiavana vahaolana miaraka mba hisorohana ny mety hiverenan’ny krizy indray? Ny tena loza mantsy dia samy entanim-po avokoa ny rehetra, na ny mpanohitra na ny mpanohana ny fitondrana, mba hidirana amin’ny lojikan’ny fifandonana sy ny fampiasan-kery. Samy tsy mihevitra fa loza mitatao ho an’ny firenena ny fiverenana amin’ny krizy satria an-taonany maro indray izany vao ho voavaha ka hihemotra lava eto ity firenena ity.

Misy ihany mandroso soson-kevitra sy marimaritra iraisana ny amin’ny hoe maninona raha asiana fitsapan-kevi-bahoaka hijerena raha tena mbola ankasitrahan’ny maro an’isa tokoa ny filoham-pirenena amin’izao fotoana izao. Any amerika sy any amin’ny firenena efa tena mandroso ara-demokratika dia misy karazana fitsapana ny hevitry ny vahoaka rehefa eny antenantenan’ny fotoam-pitondrana ny filoha. Mety ho azo atao eto amintsika io mba hamaritana mazava ny tena zava-misy marina ka hanitsiana izay tsy nety ary hanohizana izay hita fa tsara hatramin’izay niandohan’ny repoblika fahefatra izay.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre