Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Asan-dahalo – Mila vonjy amin’ny mpitondra ny any Iakora

Azo lazaina fa mandry andriran’antsy isaka alina ny vahoaka any Iakora sy ny manodidina, any amin’ny faritra Ihorombe. Tsy mbola misy ny andraikitra raisin’ny mpitondra fanjakana sy ny manam-pahefana any an-toerana na dia fanta-daza amin’ny tsy fandriam-pahalemana, indrindra fa ny asan-dahalo aza iny toerana iny. Manoloana izany, manao antso avo ny vahoakan’Iakora amin’ny mba hanampiana azy ireo manokana satria tena mandry tsy lavo loha izy ireo amin’izao fotoana izao. Marihina fa ireo mponina any an-tampon-tanànan’Iakora kosa tsy voakasik’izany. Matory an-trano avokoa ny olona ao an-tampon-tanàna fa ny any ambanivohitra no lasibatr’ireo Malaso, araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana. Voatery mitsoaka ny tanàna izy ireo ary any anaty ala no matory rehefa migadona ny alina.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre