Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Sekoly ambonin’ny Polisim-pirenena – Tontosa ny famindram-pibaikoana

Notanterahana, omaly 19 may, teny amin’ny sekoly ambonin’ny Polisim-pirenena manofana ho kaomisera sy ofisie eny Ivato ny lanonana famindram-pibaikoana hifehy ny sekoly teo amin’ny tale teo aloha dia ny contrôleur général Tafeno Rolly Aimé sy ny tale vaovao Tran Guy. Nitarika ny lanonana tany an-toerana ny minisitry ny filaminam-bahoaka, kaomisera divizioneran’ny polisy, Anandra Norbert sy ireo delegasionina mpiara-dia aminy. Tonga tany an-toerana ihany koa ny minisitra teo aloha sy ireo olo-manan-kaja sivily ary miaramila ao amin’ny fivondronan’Ambohidratrimo. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’ny minisitra dia notsiahiviny fa anisan’ny laharam-pahamehan’ny polisy ny ady amin’ny fahantrana sy ny tsy fandriam-pahalemana ary ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena. Nohamafisiny ihany koa fa mbola vain-dohan-draharaha hatrany ny ady amin’ny kolikoly izay tsy afa-misaraka amin’ny fanajana ny fitsipi-pifehezan’ny polisim-pirenena. Tsy tontosa anefa izany rehetra izany hoy hatrany ny tenany raha tsy miainga any ifotony dia ny eo anivon’ny sekoly. Koa niarahaba sy nitso-drano ny tale vaovao Tran Guy izy mba hahavita be amin’ny adidy lehibe miandry azy.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre