Fiahiana ny mpiara-belona – Fandinihana izay tokony hikarakara ny razana aorian’ny loza
Be dia be ny haintrano, valan’aretina, faharavana fananana, fahafatesan’ny olona ateraky ny loza voajanahary eto Madagasikara nefa tsy misy ny toro-marika amin’ny olona, izay tokony handray an-tanana azy ireny. Mipetraka ny fanontaniana hoe ahoana no hahafantaran’ny fianakaviana fa mety havany ilay olona namoy ny ainy sy hahalalany fa tody soa aman-tsara any aminy ny razana? Tahaka izay nitranga tamin’ny taona 2009, izay nahafatesana olona maro be tao anaty hain-trano. Sarotra ny hahafantarana raha toa ka potika be ilay razana indrindra ho an’ny fianakaviana. Manoloana izany indrindra, nanatanteraka atrik’asa natao handinihina manokana ny hikarakarana izay rehetra izay, ny komity nasionalin’ny Croix rouge (Cicr), Piroi (Plateforme d’intervention regionale de l’Océan indien), Croix rouge Malagasy (Crm) ary ny Bngrc, omaly teny amin’ny hotel Grand Mellis Analakely.
Atrik’asa niainga avy amin’ ny torolalana izay nataon’ny Cicr sy ny Oms efa tamin’ny taona 2006, izay natao ho an’i Madagasikara. “Ny fomba fanao tsara indrindra amin’ny fitantanana ny razana tratran’ny loza”, hoy ny lohahevitra entina hanentanana ny tsirairay. Hatreto mantsy mbola tsy tena fantatra izay hatao fa matetika dia ny zandary, ny polisy, ny Bmh, ny vonjy aina ary ny tranom-paty hatrany no mikarakara ny razana. Tsy mbola misy ny toro-marika amin’izay tokony handray izany andraikitra izany. Ilaina ny fikarakarana ny razana aorian’ny loza ka ny fomba handrindrana izany no nivoitra nandritra ny adi-hevitra izay niainga tamin’ny zava-misy eto amintsika. Ny olana hatreto dia tsy misy ny mpitsabo mpitsirika eto Madagasikara fa iray ihany nefa mbola eo am-panarahana fiofanana ihany koa.
L.N