Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Fihaonam-be any Istanbul – Hitondra ny anjara birikiny ireo sehatra tsy miankina

Atao amin’ny 22 sy 23 may ho avy izao, any Istanbul Turquie, ny fihaonam-be maneran-tany ny mahaolona voalohany ( Premier Sommet humanitaire mondial), ka hitondra ny anjara birikiny amin’izany ireo sehatra tsy miankina eto Madagasikara. Manodidina ny 6 000 eo ireo mpandray anjara ary miisa 500 ireo mpisehatra tsy miankina ka tafiditra ao anatin’io ny Vovonan’ny sehatra tsy miankina miahyny maha olona eto Madagasikara (Plateforme humanitaire du secteur privé de Madagascar). Antony nananganana ny vovonana ny fahatsapan’ireo orinasa ny fahoriana mianjady amin’ny Malagasy satria tompon’andraikitra eto Madagasikara ny orinasa tsy miankina. Natomboka ao anatin’io fihaonana io ny asa izay handinihana ny fanatsarana ny fanampiana ny fiarahamonina rehefa tonga ny loza.

Androany no hanainga ho any Turquie ireo solontenan’ireo vovonana hamonjy ny fihaonambe voalohany. Marihina fa manana trano heva any ny mpandray anjara ary tafiditra ao anatin’ireo folo handray fitenenana any an-toerana i Madagasikara. Mandritra izany no ilazana ny fomba fifandaminantsika eto Madagasikara rehefa tonga ny loza satria misy firaisankina tsara izany hampianarina izao tontolo izao. “Hitady ny fomba fandaminana eto amintsika raha sendra loza no atao mandritra ny fandraisana fitenenana satria misy fifandaminana tsara be eto Madagasikara izay hianaran’izao tontolo izao. Miainga avy amin’ny fanjakana, ny Bngrc, ny firenena mikambana, ministera, fikambanana ary tafiditra koa ny orinasa”, hoy  Raharijatovo Danielle, mpiandraikitra ny tetik’asa Telma Fondation.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre