Andraharo – Ramatoa maty voahitsaky ny 4×4, nandositra ilay mpamily
Vehivavy iray avy niasa no namoy ny ainy nohitsahan’ny fiara tsy mataho-dalana, teny Andraharo amin’ny sampanana hiditra ny Galaxy, ny alarobia hariva lasa teo. Nirimorimo mafy avy any Ambohimanarina ilay 4×4 miloko fotsy ka nifaoka an’ity vehivavy ity. Nisavoana tokony ho any amin’ny 3 na 4 metatra ambonin’ny arabe ilay ramatoa ary nitontona tany amin’ny 20m tany vao nigorisa be indray ary notsenain’ny fiara avy any Ankazomanga rehefa teo aloha kelin’ny Bati Max, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny olona iray nanatri-maso ny loza. “Hitako daholo izany fisehoan-javatra izany fa ny tena namparikoditra indrindra dia ny fipoakan’ny lohan’ilay ramatoa tamin’ny jante-n’ilay fiara nitsena azy avy aty Ankazomanga. Teo amin’ny fotoana firavan’ny mpiasa indrindra moa izany ka vetivety dia nitangorona ny olona. Nihosindra tanteraka izy sy nitsirara teo ampovoan’ny arabe ary nilaza izay nahatazana fa efa maty izy. Nikasa haka sary ihany aho saingy teo ampiomankomanana hamoaka finday no nahita fa mbola nihetsika kely ny tongony havia, mbola velona io hoy aho tamin’ilay olona roalahy teo akaikiko fa ampio aho fa sao mbola voavonjy ny ainy”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Noezahana nahorirana avy eo ilay naratra mba hahafahany mahazo ny “position latérale de sécurité”; ny sasany kosa niezaka nanakana izay fiara nandalo mba hitondra azy any amin’ny toeram-pitsaboana. Tamin’ireo fiara folo nosakanana dia iray ihany no nanaiky nitondra azy tany amin’ny hopitaly. Tsy tana intsony ny ainy rehefa tonga kelikely tany amin’ny toeram-pitsaboana. Barquette sy bocal” no tao anatin’ny kitapo lamba nentiny rehefa nosavaina, izay fitaovana fitondran’ny mpiasa sakafo antoandro matetika. Mety manambara ihany koa fa mpiasa madinika miaina ao anatin’ny fihafiana sy fandavan-tena ary fahasahiranana izy. Indrisy, anefa fa namoy aina tsy fidiny noho ny hetraketraky ny hafa izay nahasahy nandositra fa tsy mba nandray an-tanana akory na dia kely aza ary saika mbola handona olona hafa indray vokatry ny fitsoahana.
Laurena Nany