Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Manjono vahoaka amin’ny asa

Tsy nampoizin’ny maro ny tetikady nataon’ny Filoha teo aloha izay niantso ireo tsy an’asa hitondra taratasy fangatahan’asa, izay naterina teny amin’ny tokontanin’ny Magro Behoririka efa hatramin’ny alakamisy lasa teo.  Niteraka adihevitra be satria eo anatrehan’ny lalàna dia tsy mbola avelan’ny fitondram-panjakana Hvm hisokatra ny orianasa Tiko. I Marc Ravalomanana izay efa nitokana sahady ny fanokafana ny Magro Behoririka anefa ny sabotsy lasa teo dia efa nampiaka-peo sy nanandrikandrina fa sady tsy maintsy hosokafana ny orinasany satria manome foto-pivelomana ho an’ny vahoaka. Hihenjan-droa indray ny tady, noho izany, ary ho sahirana ny fitondram-panjakana haka fanapahan-kevitra hamela ny Magro hisokatra. Mazava ho azy fa hotsarain’ny vahoaka amin’ny hoe io fa manjaka ny baranahiny ary rehefa ny mpanam-bola sy mpanao politika no manao di-doha dia milefitra ny Fanjakana. Hanakana ny fanokafana ny Magro anefa dia hahazo tsiny amin’ny vahoaka ihany koa satria orinasa hanome asa olona maro io hisokatra tsy ara-dalàna io.

Tratran’ny teti-panorina maty paika avy amin’ny tompon’ny orinasa Tiko ny fitondrana HVM ka sahiran-tsaina amin’ny fanapahan-kevitra tokony horaisina. Raha vao tsy avela hisokatra eo izao ny Tiko dia hitroatra ireo olona efa maherin’ny 4000 izay manantena ny ho voaray hiasa ao amin’io orinasa io. Betsaka ihany izany olona 4.000 mahery izany raha hiara-hirohotra hanao fitokonana hanehoana ny fahadisoam-panantenany raha sakanan’ny Fanjakana ny fanokafana ny Tiko.

Mpanao politika ary mpitarika ny antoko Tim, ny tompon’ity orinasa ity ka hita mazava fa zarany aza ny Fanjakana hanakana ny tetikasany. Afaka mitarika vahoaka hirohotra sy hanakiana izao Fanjakana mijoro izao ny Tim amin’izay fotoana izay ary ahiana ny hipoahan’ny krizy politika mety hampidaraboka ny fitondrana. Ankoatra ireo mpanohana an-dRavalomanana izay manantena ny hiasa mantsy dia efa tofoka sy leo tanteraka izao fitondrana izao ihany koa ny mpanohana an-dRajoelina. Izany hoe raha miara-mitroatra ireo firehana roa ireo dia ahiana ny hisian’ny hetsika roa lehibe eto amin’ny firenena ary ho sarotra amin’ny mpitandro filaminana ny hanakana sy handrava izany. Ny mpiasam-panjakana sy ny sendika maro samihafa ary ireo antoko sahy mijoro ho mpanohitra amin’izany efa miandry kendry tohana fotsiny ary efa samy nanao fitakiana ny hialan’ny mpitondra ankehitriny. Hanahirana raha tafatambatra ireo hery telo lehibe ireo satria mety afaka ny hampikatso ny raharaham-pirenena mihitsy ary hiteraka fitokonam-be manerana ny Nosy.

Raha jerena indray mitopimaso dia toa resaka sosialy sy toe-karena ilay filazana fa hiverina hisokatra ny vondron’orinasa Tiko. Rehefa tena dinihina anefa misy paikady politika mety hanozongozona sy hampidaraboka izao fitondrana izao mihitsy. Midika izany tranga izany fa mbola lavitra ny hisian’ny fitoniana ara-politika eto amin’ny firenena. Tsy vitan’ny kabary miverimberina izay miresaka ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna iraisam-pirenena ary ny nahavitana fifidianana nandresen’ny antoko Hvm ny fametrahana fitoniana eto Madagasikara fa mitaky asa sy andraikitra ary vokatra mazava avy any amin’ny mpitondra. Tsy miova mihitsy mantsy ny kabary hatramin’ny taona 2014 nandraisan’ny Filoha Rajaonarimampianina ny fahefana nefa hatramin’izao toa tsy hita izay tena fiovana nampanantenaina tamin’ny praopagandy. Ny praiminisitra sy ny Governemanta no in-telo niova fa ny zava-misy toa ny eo ihany no eo. Vao mainka aza miharatsy ny toekarem-pirenana sy ny farim-piainanan’ny vahoaka nefa ireo mpitondra miha manan-karena hatrany.

Mila mitady vahaolana haingana ny mpitondra mba hisorohana ny mety hisian’ny krizy satria tsy hahavaha olana firy amin’ny asa fampandrosoana ny firenena izany. Tsy vitan’ny fampifangaroana ny  teny an’avona sy ny fanazavana ara-teknika anefa ny famahana olana fa mila fanetren-tena sy asa mivaingana. Raha mahavita mampanantena asa 4 arivo ny Tiko, tokony hampanantena asa 4 tapitrisa ny Fanjakana.

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre