Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Ambalavao – Roalahy lasibatry ny jiolahy mitam-basy

Miaina ao anaty tsy filaminana ny distrikan’Ambalavao amin’izao fotoana izao. Roalahy 27 sy 38 taona avy niantsena vao maraina tao Sahamasina no fantatra fa lasibatry ny andian-jiolahy mitam-piadiana, ny zoma 20 may tamin’ny 5ora. Tany Andranomikitikitika, fokontany Soamiaradia, kaominina Vohitsoa no nisehoan’izany. Nanambana tamin’ny basy sy nandrahona avy hatrany ireo olon-dratsy mba hanomezan’izy mirahalahy ny entana rehetra. Tsy nanaiky izany fangatahana izany izy ireo ka raikitra ny sakoroka teo amin’ny roa tonta. Nitifitra avy hatrany ireo mpangalatra. Vokany, naratra mafy izy roalahy ary nentina haingana namonjy ny hopitaly Ambalavao mba hahazo fitsaboana sahaza azy ireo. Tsy nisy kosa ny entana voaroba fa nandositra avy hatrany ireo jiolahy vao nidaboka tamin’ny tany ireo lasibatra. Tsy fantatra ny isan’ireo jiolahy na ny basy nampiasain’izy ireo. Nampandrenesina ny zava-nitranga ny mpitandro filaminana ka nidina teny amin’ny toerana nitrangan’ny fanafihana nanokatra ny fanadihadiana. Nisy kosa taorian’izay ny fanarahan-dia nanaraka ny lalan’ireo jiolahy izay niankandrefana niala ny tanànan’Andranomikitikitika.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre