Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Ankazobe – Dahalo efa-dahy lavon’ny balan’ny zandary

Nahery vaika ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo dahalo, ny zoma lasa teo, tany Ankazobe. Nandritra ny fifampitifirana izay naharitra adim-pamataranandro maromaro teo amin’ny roa tonta dia dahalo rain-dahiny miisa 4 no lavon’ny balan’ny zandary. Vokatra azo tamin’ny vaovao avy amin’ny fiarahamonina, tamin’ny alakamisy teo, izay nilaza fa misy olon-dratsy mampihorohoro, ao Ambodivona. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny mpitandro filaminana ny ampitson’io. Vaky nandositra ireo dahalo raha vao nahatazana ny fahatongavan’izy ireo. Nisy ny fanarahan-dia nihazo ny Andavatsaha tonga hatrany Iarehana ka raikitra ny fifandonana tao Antampoketsa, izay mbola any amin’ny distrikan’Ankazobe ihany, izay nahafatesana ireo malaso efatra. Dahalo iray ihany koa no voatifitra nandritra ny sakoroka saingy mbola tafatsoaka niaraka tamin’ireo namany.

Mandry tsy lavo loha ny mponina any amin’ny distrikan’Ankazobe, noho ny afitsok’ireo dahalo mampihorohoro, mandroba fananana ary mbola mahavita mamono ihany koa. Araka ny tatitra avy amin’ny mpitandro filaminana dia ireto andian-dahalo ireto no ahiana ho tompon’antoka tamin’ny vono olona izay niseho tao Antakavana Ankazobe andro vitsy lasa izay. Natolotra ny fitsarana ny raharaha ary mitohy ny fanadihadiana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre