Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Lojikan’ny be mokon-doha

Tsy manaiky ho gisitra ary tsy misy azo hanaovana don-tandroka! Ireo no azo anambarana ny mpanao politika rehetra eto Madagasikara. Samy manam-bava ary samy manana mokon-doha ka tsy mifampatahotra ary samy vonona amin’ny lojikan’ny fifandonana. Niseho nibaribary izany fomba fisainana izany tamin’iny herinandro lasa iny satria dia efa samy vonona tamin’ny fifandonana na ireo mpitaky ny fialan’ny mpitondra ankehitriny na ny mpanohana ny fitondrana. Avo vava sy nandefa fihantsiana ny mpanohitra sy ireo mpanao politika miara-dia amin’ny sendika fa hampikatso ny raharaham-pirenena,mitaky ny fialan’ny mpitondra ary manomana ny hitarika vahoaka hidiana an-dalam-be. Setrin’izany dia navoakan’ny mpitondra fanjakana ny tafika sy zandary ary polisy mirongo fiadiana ary hita fa tena vonona amin’ny fifandonana raha ilaina izany. Ankilan’izay dia samy nampiaka-peo ny Filoham-pirenena sy ny praiminisitra fa efa tsy fotoanan’ny fitakiana fialan’ny mpitondra intsony izao. Ny Filoham-pirenena dia manohy ny fitetezan-tany any ivelany izay toa mampiseho ihany koa fa tsy mihetsi-bolo-maso amin’izay ramatahoran’ny mpanohitra izy fa mifantoka amin’ny asa heveriny ho laharam-pahamehana ho an’ny firenena. Ny praiminisitra izay miandry tanàna kosa dia niseho vahoaka matetika hanehoany fa mbola any amin’ny fitantanana ny Governemanta ary ho lany rora fotsiny eo ireo mitaky ny fialany.

Mampiasa ny lojikan’ny mokon-doha ny mpanohitra dia manao ny azy ihany koa ny mpitondra. Na ireo solombavam-bahoaka manohana ny antoko Hvm aza tato ho ato dia manomboka be vava sy mampiaka-peo miaro ny fitondram-panjakana. Midika izany fa samy tsy hanaiky ho gisitra ny mpitondra ary tsy hiala sy vonona hiaro ny toerany hatramin’ny farany. Ireo mpanao politika lehibe izay mety hahatarika vahoaka afaka hifanandrina amin’ny mpitondra rahateo dia efa samy nandà ny endrikendrika manondro azy ireo ho mikasa hanongana ny fitondrana. Tsy eto an-toerana i Andry Rajoelina ary resaka noforonina ny fanonganam-panjakana hoy ny Loholona Lilison sy ny mpikambana sasany ao amin’ny antoko politika Mapar. Toy izany ihany koa dia nanizingizina i Marc Ravalomanana fa tsy manam-pikasana velively ny hanongana izao fitondrana izao. Ny mpitandro filaminana anefa milaza fa tsy azo tsinontsinoavina ny angom-baovao azon’izy ireo amin’ny mety hisian’izany fanonganam-panjakana izany.

Tsotra ny zava-misy eto amin’ny firenena raha fehezina: na misy mandainga ny mpitondra sy ireo heveriny hanongana azy na samy manao sinema mba hanodinkodinana ny saim-bahoaka manoloana izao raharaham-pirenena tsy mandeha amin’izay laoniny izao. Samy manana tombontsoa hanao fihetsiketsehana mantsy ny roa tonta mba tsy hanadinoan’ny vahoaka ny zava-misy. Ny mpitondra Fanjakana dia iaraha-mahita fa sahirana amin’ny fametrahana asa fampandrosoana mahomby sy ahitana vokatra mivaingana na dia manao fampanantenana tsy an-kijanona etsy sy eroa aza. Ireo mpitondra kosa izay milaza ho mitondra ny tenin’ny vahoaka sy miaro ny tombontsoan’ny madinika dia tsy mety mahatarika olona ka ny vava sisa no atao be mba hisehoana fa matanjaka.

Raha ny tena marina dia efa leo sy tofoka amin’ny adilahy politika sy ny teti-dratsy noho ny fitiavan-tenan’ny mpanao politika ny vahoaka ka sarotra tarihiny. Tena tofoka amin’ny tsy fahombiazan’izao fitondram-panjakana mijoro izao ny ankamaroan’ny olona saingy tsy matoky ihany koa ireo mpanao politika mitady hirika hanongana sao dia tratran’ny “ny antenaina tsy azo ny antanana votsotra”. Aleon’ny vahoaka ihany aloha mihafy amin’izao fahantrana sy tsy fandriam-pahalemana ary aretina sy fampanantenana poak’aty izao toy izay haka risika hiditra amin’ny tetezamita vaovao izay mbola tsy fantatra akory izay olona mety hitarika azy. Mila mandini-tena ny mpanao politika satria na manana hevitra sy fikasana tsara aza dia tsy itokisan’ny maro an’isa intsony!

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre