Andro iraisam-pirenena ho an’ny fianakaviana – Mifototra amin’ny isan-tokantrano ny fampandrosoana
“Fianakaviana mirindra, antoky ny ho avy maharitra” io no lohahevitra niompanan’ny andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny fianakaviana. Ho an’ny faritra Alaotra Mangoro dia tao amin’ny kaominin’i Morarano no nanamarihana izany tamin’ny fomba ofisialy. Ankoatra ny kabary sy lahateny samihafa nataon’ireo tompon’andraiki-panjakana, nisy ny trano eva nampirantiana ireo asa tanana, nisy koa ny dinika narahina adihevitra, ny antsam-panahy sy afom-pifaliana ary fanolorana dabilio 18 isam-pokontany avy amin’ny fikambanam-behivavy mivondrona ao amin’ny Vovonana. Tamin’izany no nampahatsiahivin’ny talem-paritry ny mponina, Ramerijaona Parfait fa voararan’ny lalàna ny mampanambady ny zaza latsaka ny 18 taona. Tamin’ity andro natokana ho an’ny fianakaviana ity moa dia mpivady 27 no natao fisoratam-panambadiana faobe. Tetsy andanin’izany dia nanambara ny Lehiben’ny Faritra Raminoarison Honoré fa manan-danja ny fianakaviana izay miainga amin’ny isan-tokantrano ary ifotoran’ny fampandrosoana. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa nitondra ny anjara birikiny ho amin’ny fampijoroana ny trano ho an’ireo fikambanam-behivavy ny Faritra Alaotra Mangoro. Ny tany hanorenana izany trano izany moa dia mirefy 300 metatra tsy mivadi-mandry izay nomen’ny kominina. Hojerena manokana ihany koa ny famatsiana herinaratra amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina, araka ny fanazavan’ny Lehiben’ny Faritra izay nanome toky fa hanolo-tanana amin’ny fanatsarana ny vavahadin-tsenan’ny kaominina Morarano.
Nangonin’i L.N