Vous êtes ici :

Samedi 30 Novembre 2024

ombre

Atahorana ny hisian’ny fifandonana

Efa herinandro maromaro isika teto amin’ny Bala…no niresaka fa mitodika any amin’ny lojikan’ny fifandonana ny zava-misy sy ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Vao omaly ihany koa no nitondra famakafakana fa lojikan’ny mokon-doha sisa no misy eto amin’ny firenena. Toa samy faly sy manao izay hisian’ny korontana ireo mpanao politika amin’ny ankolafin-kery samihafa. Ao ny mpandrangitra, ao ny mpanao fihantsiana, ny sasany manao teny an’avona ary ny hafa efa mitarika ny olona hizotra amin’ny hetsi-bahoaka. Ny mpitondra moa sady manao valy boraingina no mandrangaranga fa tsy matahotra satria manana ny Emmoreg afaka handrava ny hetsika sy izay mikasa hitarika vahoaka eo. Mampanahy ny zava-misy satria na ny vahoaka aza toa faly ny hisian’ny fipoahana hitarika any amin’ny krizy vaovao indray saingy mbola mifampiandriandry fotsiny satria mafy loatra ny herisetran’ny mpitandro filaminana manoloana ny sivily mpanao fitokonana hatramin’ny andron’ny tetezamita ary mitohy amin’izao repoblika fahefatra izao. Tena saro-pady ny zava-misy amin’izao fotoana izao ary mila fisainana sy fandinihana lalina satria ny hadisoana kely sy ny tendrom-po tsy mba namana ao anatin’ny minisitra vitsy dia mety hiteraka krizy vaovao ho an’ny firenena indray.

Rehefa tena dinihina tokoa mantsy dia miverina avokoa ireo tranga rehetra niteraka fandrodanana ny fitondram-panjakana nisesy teto hatramin’ny nahazoana ny fahaleovan-tena. Raha ny hetsiky ny mpianatra no nampirodana ny fitondran’ny Filoha Tsiranana tamin’ny taona 1972 dia io fa mipoitra ny fitokonana misesisesy sy fifandonana eny amin’ny oniversite. Ny famoriam-bahoaka tamin’ny 1 may tao amin’ny kianjan’ny coom 67 ha ary nitohy tamin’ny fitokonana faobe no niaingan’ny hetsi-bahoaka nandrodanana ny Filoha Ratsiraka tamin’ny taona 1991 dia io fa manomboka miseho izany amin’ny hamaroan’ireo sendika mitaky ny hialan’ny fitondrana. Fitsipaham-pitokisana nataon’ny Parlemantera no nampitsingidina ny fitondran’i Zafy ny taona 1996 dia io fa efa mikonokonona izany sahady indray ny solombavam-bahoaka. Ny taona 2001 kosa dia fanakatonana ny orinasa Tiko teny Tanjombato no tena anisan’ny nampitroatra ny ben’ny tanànan’Antananarivo ka nilatsahany ho fidiana ary nandrodanany ny Filoha Ratsiraka dia io averin’ny Hvm io indray ny antsojay amin’ny Tiko. Ny taona 2009 indray dia ny fanakatonana ny radio Viva niampy fivarotana tany amin’ny vahiny no rangory fototry ny afo nandrodanan’ny vahoaka ny fitondrana Ravalomanana nefa dia io fa averin’ny fitondrana Hvm indray izany.

Ny vahoaka rahateo efa leo ny fahantrana sy ny fijaliana ka dia hita fa efa mamono eritreritra ary mihevitra fa ny fanesorana ny mpitondra no vahaolana tsara indrindra mba tsy hampitombo intsony izao fahoriana mianjady amin’ny firenena izao. Pitik‘afo kely fotsiny dia ahiana hiteraka savorovoro eto koa mila mitandrina sy misaina lalina ny rehetra alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra satria raha ny lojika dia tsy hisy vahaolana azo ao anatin’ny fifandonana izany. Sarotra ny hinoana fa mbola mahazaka hiatrika krizy vaovao indray ny firenena satria ny tarazon’ireo krizy nifandimby teto hatramin’izay ary tsy mety voaarina hatramin’izao.

Ny tsara indrindra angamba dia ny fifampiresahana mazava sy ny fanekena ho diso ary hanarahana ny hevitry ny maro an’isa mba tena hampanjakana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna. Azon’ny fitondram-panjakana atao tsara ny mikarakara fifidianana filoham-pirenena alohan’ny fotoana hijerena marina izay tena hevitry ny vahoaka maro an’isa. Tsy asiana fanavakavahana intsony amin’izay fotoana izay fa mahazo milatsaka avokoa izay te hilatsaka ka ny vahoaka no tompon’ny safidy farany. Raha tena mino sy matoky ny mpitondra ankehitriny fa tena mitombina ireny voka-pifidianana rehetra nokarakarainy ireny dia tsy hanana ahiahy fa tsy maintsy handresy raha hikarakara fifidianana filoham-pirenena amin’ity taona ity fa tsy hiandry ny taona 2018.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre