Toamasina – Andian-jiolahy manao fanamiana miaramila manafika
Mitohy ny tsy filaminana any an-tampon-tanànan’i Toamasina. Andian-jiolahy manao fanamiana miaramila sy misaron-tava ary milanja fitaovam-piadiana mahery vaika indray no mampihorohoro any anaty fokontany rehetra any. Taorian’ny vaky trano niseho tany Tanambao 5, ny herinandro lasa teo iny dia tokantrano iray tany Tanamborozano indray no fantatra fa lasibatra ny jiolahy am-polony mahery ny alin’ny alatsinainy lasa teo. Nanapoaka basy in-droa izy ireo mba hampitahorana ny manodidina, araka ny loharanom-baovao. Ny tompon-trano izay tsy afaka nanao na inona na inona fa manaraka izay sitrapon’ireo olon-dratsy fotsiny satria mamy ny aina. Vokany, foana ny trano, lasan’ireo jiolahy hatramin’ny peratra mariazy ka entana tsy misy vidiny sisa no najanon’izy ireo. Mbola nangatahan’izy ireo hatramin’ny fanalahidin’ny kodiaran-droa ka lasa ihany koa. Manoloana ity vaky trano misesisesy any Toamasina ity dia velon-taraina ireo mponina ary manontany tena ihany hoe « Manao ahoana ary hatraiza ny fiasan’ny polisy manao fisafoana amin’ny alina izay tsy mahita ireo jiolahy mihaodihaody any anaty tanàna any ? »
L.N