Vous êtes ici :

Samedi 30 Novembre 2024

ombre

Fiatrehana ny ririnina – Notolorana akanjo mafana ireo zaza sahirana

Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny fikambanana Tafita amin’ny alalan’ny atrikasa ny mpilatsaka an-tsitra-po sy ny Ainga vaovaon’ny Malagasy, amin’ny fiahiana ireo fianakaviana sahirana, eny Ambohimahitsy. Zara fa mitafy ny ankizy eny an-toerana satria akanjo rovidrovitra avokoa no eny an-koditra. Amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao dia nanao hetsika fizarana akanjo mafana ho an’ireo zaza sahirana izy ireo ho fiatrehana ny hatsiaka mamirifiry.

Ny sabotsy lasa teo no nanatanterahana izany, teny amin’ny fokontany Ambohimahitsy, kaominina Ambohimangakely. Maherin’ny 50 eo ireo ankizy iahian’ny fikambanana saingy 40 eo ho eo, 2 taona ka hatramin’ny 6 taona no nahazo tombontsoa tamin’ity hetsika ity satria nisy ireo tsy tonga naka ny anjarany. Nisy anefa ireo zaza tsy ao anatin’ny fiahian’ny fikambanana tonga teny an-toerana rehefa naheno ny hetsika ka nozarana lamba ihany koa. Marihina fa fitafiana efa nampiasaina sy fripérie nangonin’ireo mpikambana ireo nozaraina ireo. Ankoatra ny akanjo mafana dia nisy akanjo lava sy ambonin’akanjo ihany koa niampy ireo nozaraina. Efa fanindroany ity atrikasa fizarana fitafiana mafana ity, araka ny fanambaran’ny tompon’andraikitra ary hitohy hatrany mandra-pahatapitra ny ririnina.

Nanamarika ny hetsika ihany koa, ny fampianarana ny fahaiza-miaina ireo ankizy kely sy ireo renim-pianakaviana. Tao ny fampianarana ny fidiovana sy mihogo volo ho an’ireo zaza raha toa ka resaka fahalalam-pomba no nomena ireo ray aman-dreny, tafiditra tao anatin’izany ny fifanajana, fisaorana ary fitaizana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre