Fanamboarana toeram-pivoahana eny Manjakaray – Nidina ifotony ny depiote Raholdina
Manoloana ny antso avo tamin’ny haino aman-jery, izay nataon’ny fikambanan’ny Ray aman-drenin’ny mpianatra (Fram) ao amin’ny Epp Manjakaray dia nidina teny an-toerana namaly ny antso avy hatrany ny Solombavam-bahoaka Naivo Raholdina, voafidy tao amin’ny boriboritany faha-5 omaly. Tsy manaiky ny fananganana toeram-pivoahana na « WC public » ao ambadiky ny sekoly ireo ray aman-drenin’ny mpianatra miisa 700 sy ireo mpanabe ao amin’ny sekoly. Nivondrona izy ireo, nanao fanangonan-tsonia satria mifanila amin’ny toeram-pisakafoanan’ny mpianatra (cantine) ilay toerana ka tsy mety amin’ny fahasalaman’ireo ankizy. Marihina fa efa nanoratra tamin’ny ambaratonga ambony ireo Fram ireo. Mba tsy hisian’ny korontana dia nahato io fanamboarana io fa hafindra any amin’ny toeran-kafa kosa.
Fanampiana
Ho fanamafisana ny fanadiovana ny manodidina ny sekoly dia nanolotra vola 200.000 Ariary ho an’ny sekoly ihany koa ny solombavam-bahoaka Naivo Raholdina ; ny Sampana Fanantenana ao anatin’ny Fafi V kosa dia nanolotra fanampiana toy ny kahie, penina, « biscuit, chocolat, macaroni » ho an’ny mpianatra 1200 mahery ao amin’ny Epp Manjakaray. « Mitohy hatrany ny asa sosialy ataon’ny Sampana Fanantenana satria amin’ny fetin’ny reny izao dia hizara sakafo ara-pahasalamana ho an’ireo reny zokiolona miisa anarivony eny amin’ny fokontany 27 ao anatin’ny firaisana fahadimy ny Sampana », hoy Hanitriniala Raholdina, Filohan’ny Sampana Sosialy Fanantenana. Ankoatra izany, efa manomana ny didim-poitra faobe iarahana amin’ny Dr Fidy sy ny Croix Rouge Malagasy ihany koa izy ireo ato ho ato.
Mia