Vous êtes ici :

Samedi 30 Novembre 2024

ombre

Herisetra – Ankizy mirahalahy nodoran’ny olona tao an-tranony

Nisehoana trangam-piarahamonina mahatsiravina sady naha ontsa ny fo, tany amin’ny fokontany Ambalamanasy, ao Toamasina. Tovolahy kely 12 sy 14 taona no niharan’ny habibiana tsy roa aman-tany noho ny sotasotan’ny hafa, ny alin’ny zoma 20 may hifoha ny sabotsy 21 may lasa teo, tamin’ny 11ora. Izy roa irery no tao an-trano fa lasa namonjy alim-bavaka ny ray aman-drenin’izy ireo, tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza.

Araka ny fitantaran’ireo ankizy niharam-boina, fanahy iniana nodorana ny trano fonenan’izy ireo saingy tsy fantatra izay nahavanon-doza sy ny antony nandorana ny trano. Fantatra mantsy fa nisy nanipy afo teny ambony tafo ny alin’io ka noho ilay trano vita amin’ny tafo ravinala dia vetivety foana dia niparitaka sady nandoro azy mirahalahy. « Tokony ho tamin’ny 11ora alina teo no niseho ny loza satria mbola tsy resin-tory izaho tamin’io. Dia nisy afo avy eny ambony tafo no sady maimbo solika. Nitsangana haingana aho namonjy ny varavaravana saingy noho ny hatairako be loatra dia saika tsy hitako ny lalana mivoaka », hoy ilay zazalahy kely 12 taona nitantara ny nanjo azy, raha tsy afa-miteny kosa ilay zokiny 14 taona. Ity farany izay tena ahiana ny fahasalamany satria may hatramin’ny masony sy molony, toy ireny vomanga novoasana ireny. Araka ny fantatra hatrany mantsy, tsy naheno ny fipoahan’ny loza ilay zokiny ka taraiky tao an-trano tao. Tsy niandry ela ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny ala ary ny ekolojia, Ndahimananjara Johanita raha vao naheno ny loza fa naniraka ny solontenany nitondra fanampiana ara-bola ho an’ireo niharam-boina.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre