Fihetsiketsehana no betsaka !
Nampangitakiaka ity herinandro ity raha ny raharaham-pirenena no jerena. Nanjakan’ny setroka sy ny tomany ara-bakiteny,nefa rehefa tena zohina ny zava-misy dia toa fihetsiketsehana no betsaka. Nampiavaka ny fiandohan’ny herinandro ny fandraisan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fihaonam-be iraisam-pirenena mahakasika ny fiahiana mahaolona tany Istambul Torkia. Nanantena mihitsy ny gasy fa hitondra vola be tsy toko tsy forohana ny Filoha taorian’ny fivoriana satria tena nireharehan’ny fitondram-panjakana ny fiatrehana io fihaonana io. Namoahana fampiasam-bola manokana mihitsy satria nanofana fiaramanidina mitentina hatramin’ny 200.000 euros na 3,6 miliara Ariary any ho any io fivoriana iraisam-pirenena io. Tanam-polo anefa no nentina nody ary na fifanaraham-pamatsiam-bola iray ho fanatsarana ny fiahiana ny mahaolona eto Madagasikara aza toa tsy heno hoe voasonia. Tonga amin’ilay fitenenana hoe ny nantenain-tsy azo, ny an-tanam-botsitra. Fihetsiketsehana no betsaka.
Tsy misy hafa amin’izany ihany koa ny zava-nitranga teny amin’ny Magro Ankorondrano izay nakaton’ny fanjakana tamin’ny fandefasana vadin-tany sy miaramila am-polony mba tsy hahafahan’ny ekipan’ny orinasa Magro sy ireo vahoaka mafiady manatitra antontan-taratasy fangatahan’asa miditra ao. Nisehoseho ery lay vadin-tany niresaka tamin’ny mpanao gazety fa fampiharana ny didim-pitsarana io nataony io. Ny ampitso ihany anefa dia nopitsohan’i Marc Ravalomanana ny vavahadin’ny Magro ary niditra tao izy sy ny olony no mbola nanao vavabe tamin’ny mpitondra fanjakana. Nahagaga fa tsy nisy manam-pahefana sahy nihetsika sy nanome baiko hanenjehana an-dRavalomanana nefa raha marina ny filazan’ilay vadin-tany dia heloka ny fanapitsohana ny vavahady izay nohidiana tamin’ny alalan’ny didim-pitsarana. Fihetsiketsehana fotsiny no betsaka fa tsy sahy miady amin’ny Tiko akory.
Na dia teo aza ireo tranga roa nandiso fanantenana ny vahoaka ireo dia ny fisavana tranon’olona indray no tena naresaka tamin’ity herinandro ity. Nanombohana izany ny tranon’ny loholona sady zandary ny colonely Lilyson, nitohy tamin’ny an’ny mpandraharaha ara-toe-karena Mamy Ravatomanga izany ary nifarana tamin’ny tranon’ny vahiny frantsay mampiasa vola eto amintsika. Tsy nahita zavatra mampiahiahy mety hitarika amin’ny heloka bevava tamin’ny tranon’ireo olona manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena ireo anefa ny mpitandro filaminana. Izany hoe toa mbola fihetsiketsehana toy ny mahazatra ihany ny zava-misy satria matoa tsy nahitana zavatra tsy ara-dalàna tao an-tranon’ireo olona ireo dia tsy manan-tsiny izany izy ireo.
Be loatra ny fihetsiketsehana sy fisehosehoana ataon’ireo manam-pahefana eto amin’ity firenena ity nefa kely ny vokatra omen’izy ireo ny vahoaka. Manao izay danin’ny kibony, mandravarava sy mandripaka ny jiolahy amin’ny toerana rehetra manerana ny Nosy nefa lazaina fa tsy ampy isa ny mpitandro filaminana. Mahagaga anefa fa toa betsaka izy ireny rehefa ny sezan’ny mpitondra no lazaina fa voaozongozona. Tsy mbola nisy olona teto na iray aza nilaza ny hanongam-panjakana fa ry zareo ao amin’ny fitondrana ihany no mamerimberina ny fisian’izany tsy ankiato. Hatreto anefa dia tsy mbola nahitana porofo mihitsy hoe misy olona mikasa hitarika korontana izany eto an-drenivohitra sy any amin’ny faritra. Matoa misy ny hetsi-bahoaka dia vokatry ny tsy rariny izay hita mazava fa tranga mitokana toy ny hoe fahatapahan’ny jiro, faharatsian’ny lalana, na ihany koa fanaparam-pahefana ataon’ny mpitrandraka vahiny na tompon’andraikitra eny amin’ny kaominina fa tsy mbola nisy mihitsy nitarika olona hoe andao hanongana io Fanjakana io.
Ny ao anivon’ny fitondrana ihany no mampisahotaka ny saim-bahoaka satria iza tokoa moa no tsy hatahotra sy tsy hiahiahy mahita miaramila an-jatony mihaodihaody manerana ny tanàna. Toy ny tany miady ny fijery an’i Madagasikara satria miaramila mirongo fiadiana, izay hita fa vonombonona amin’ny mety hisian’ny fifandonana no tazana amin’ny toerana sasany manomboka vao maraina mandra-paharivan’ny andro. Rehefa tena zohina anefa ny zava-misy marina dia tany milamina sy tsy misy hotahotaka ny eto amintsika fa ireo matahotra ny ho very seza no be fihetsiketsehana amin’ny tsy misy antony!
Ravalo tsy Manana