Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

11e Fed – Nigadona tany Analanjirofo ny iraky ny Vondrona Eropeanina

Ny alarobia lasa teo no nigadona tany Fenoarivo-Antsinanana ireo delegasiona iraky ny vondrona Eropeanina ao anatin’ny tetikasa Afafi notarihan’i André Lachapelle, izay tafiditra ao anatin’ny 11e Fed. Matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny faritra Analanjirofo sy ny Vondrona Eropeanina amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Niroso tamin’ny fandinihana ny tetikasa avy hatrany ny roa tonta, izay niarahana tamin’ireo lehiben’ny sampan-draharaham-panjakana any an-toerana, izay niarahana tamin-dRamaroson Jacques, lehibe’ny faritra. Voaresaka nandritra izany ny lafiny fambolena, tontolo iainana ary ny jono. Amin’ny telo volana voalohany, ny taona 2017 no voalaza fa hanombohan’ny asa. Ny alakamisy teo kosa indray no nanao ny fidinana ifotony ireo delegasiona ary nihaona nivantana tamin’ireo tantsaha sy mpanjono mpahazo tombontsoa.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre