Fetin’ny Reny – Fampivelarana ny vita malagasy
Amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Reny izao dia nanatanteraka varotra fampirantiana, eny amin’ny lapan’ny tanàna Analakely ny kaominina Antananarivo renivohitra. Hivelatra mandritra ny telo andro ny hetsika, izay efa nanomboka omaly 27 may ary tsy hifarana raha tsy rahampitso alahady 29 may. Hetsika natokana ho an’ny Reny ary miompana amin’ny fampivelarana ny zavatra vita malagasy. Am-polony ny trano entina maneho ny fampirantiana, izay ahitana ny mpanao asa tanana, ny toeram-pambolena sy fiompiana izay mampiseho ny vokatry ny tany Malagasy. Ireo zokiolona mpanao koba sy ramanonaka ary mpikarakara voninkazo, ny Fikambanana mpitsabo amin’ny alalan’ny otra ary ny tambajotra Airtel. “Ho fanampiana ilay natao tamin’ny andron’ny vehivavy tamin’ny 8 martsa no antom-pisian’ny hetsika noho ny fangatahan’ireo mpandray anjara. Tanjona ny fampisongadinana ny asa tanana Malagasy amin’izao fetin’ny Reny izao”, hoy i Andriantseheno Prisca, mpikambana ao amin’ny kabinetran’ny Ben’ny tanàna.
Mahaliana ny olona ny fitsaboana nentim-paharazana
Fantatra fa mbola mahaliana ny olona ny fanaovana ny fitsaboana nentim-paharazana. Tsy mifidy salan-taona fa mety avokoa na zaza na tanora eny hatramin’ny olon-dehibe. “Efa nivoatra ny fitsaboana amin’izao satria efa ampiarahana amin’ny teknika avy any ivelany izay tena manome fahombiazana kokoa ankoatra ilay efa nahazatra. Hanao fizahana, fitsaboana ary fampirantiana ny fahaiza-manaony ny fikambanan’ny mpitsabo amin’ny alalan’ny otra mandritra ny hetsika”, hoy ny filoha nasionaly, Razafimamonjy Mamitiana. Efa 10 taona no nijoroan’ny fikambanana ary 600 ireo mpikambana mandrafitra azy fa 250 ireo amperin’asa. Marihina fa miara-miasa amin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izy ireo ary hita manerana ny Nosy.
L.N