Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Foara tegnandraha andiany faharoa – Fanomezan-danja ny tantsaha sy ireo mpanao asa tanana

Nisokatra ny alakamisy 26 may ary hifarana androany sabotsy 28 may, tany Fenoarivo-Atsinanana, ny tsenaben’ny tantsaha nitondra ny anarana hoe : “Foara Tegnandraha andiany faharoa”. Foara natao hampahafantarana ireo vokatra ara-pambolena sy asa tanana mba hanomezan-danja ireo tantsaha mpamokatra any amin’ny faritra Analanjirofo. Ho an’ireo komity mpikarakara, ny hahafahan’ireo tantsaha sy ireo mpanao asa tanana mampiseho ireo vokatra ho amin’ny sehatra matianina no maha zava-dehibe ny fisiany satria io no fotoana natao hihaonan’ireo mpamokatra sy ny mpanangom-bokatra. Nisongadina nandritra ny foara, noho izany ny fifanankalozan-kevitra sy dinik’asa ho fanatsarana ny vokatra. Nanamarika ny hetsika ihany koa ny varotra fampirantiana teo anoloan’ny araben’ny fahaleovantena any Fenoarivo-Atsinanana. Tompo-marika tamin’ity tsenabe ity ny Antenimieran’ny Varotra Analanjirofo, ny tetikasa Prosperer, ny faritra Analanjirofo ary ny kaominina Fenoarivo-Atsinanana.

 

 

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre