Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Mpianaka nodomin’ny fiara – Maty tsy tra-drano ilay renim-pianakaviana

Nisehoana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona, tany amin’ny distrikan’i Manakara. Tany Vohitromby, kaominina Morarano no nitragan’izany, ny alakamisy maraina lasa teo, tamin’ny 8ora. Vehivavy iray namonjy ny zanany vavy kely niampita tampoka ny arabe no voalaza fa nahatonga ny loza. Satria tamin’io fotoana io no nisy fiara marika Land Rover nandalo nentin’ny lehilahy iray, izay nitondra mpandeha efatra avy any Analavory ho any Sahasinaka. Nandeha mafy ilay fiara araka ny vaovao voaray ka na niezaka niala ilay mpamily aza izy mianaka dia tsy tafajanona intsony fa efa akaiky loatra. Vokany, niara-voadona izy mianaka saingy maty teo no ho eo ilay renim-pianakaviana. Ilay zazavavy kely kosa naratra mafy ary nentina nihazo ny toeram-pitsaboana. Olona roa tao anatin’ilay fiara ihany koa no voalaza fa naratra mafy ka samy nentina any amin’ny hopitaly avokoa. Nidina teny an-toerana ny zandary nanao ny fizahana. Mandeha ny fanadihadiana.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre