Lehiben’ny Faritra Analanjirofo – « Tsy maintsy atao tongan’ny moto ny kaominina Andapafito »
Noho ny faharatsian’ny lalana mihazo ny kaominina Andapafito ao anatin’ny distrikan’i Soanierana-Ivongo izay mampijaly ireo mponina any an-toerana dia nampanantena ny lehiben’ny Faritra Analanjirofo, Ramaroson Jacques fa tsy maintsy atao tongon’ny môtô izany toerana izany. Tanàna izay tena mitoka-monina tokoa satria tsy tongan’ny fiara velively. Tsy nahasakana ny lehiben’ny Faritra anefa izany fa nanao dia an-tongotra nidina ifotony tany amin’ity kaominina ity ny tenany ny sabotsy 21 may lasa teo nijery mivantana ny olana mianjady amin’ireo mponina. Nampanantena tolo-tanana amin’ny fanampiana ireo vahoakan’Andapafito izy amin’ny fanamboarana ny lalana. Tamin’izany no nanambaràny fa tsy maintsy atao azon’ny môtô iny toerana iny ary hanomboka tsy ho ela ny asa.
L.N