Vous êtes ici :

Vendredi 24 Janvier 2025

ombre

Samy manana ny maro an’isany !

Rehefa tena dinihina dia ity resaka maro an’isa tsy voafaritra mazava ity no tena mahatonga ny krizy miverimberina sy tsy ahitam-bahaolana eto Madagasikara. Raha ny marimarina kokoa dia tsy nahitana taratra mazava ny tena safidim-bahoaka ireo fifidianana Filoham-pirenena nifandimby teto hatramin’ny nahazoana ny fahaleovan-tena. Niaraha-nahita tokoa mantsy fa ireo filoha voaongana dia nandresy mazava tamin’ny fifidianana demokratika nokarakaraina, izany hoe nosokajiana ho nanana ny fanohanan’ny vahoaka maro an’isa nefa toa ireto farany ihany no nanao izy hanonganana azy.

Miverina toy ny mahazatra io adihevitra mahakasika ny maro an’isa io amin’izao fotoana izao ary samy milaza ny manana ny marina ireo ankolafin-kery politika misy eto amintsika. Ireo mpanenjika ny Fanjakana dia mamaritra mazava fa tsy manana ny fanohanan’ny vahoaka intsony ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Raha ny fihainoana ny fimenomenon’ny olona eny an-dalana, any am-piasana, any anivon’ny fianakaviana, sy ny toerana rehetra vory vahoaka aloha dia tena toy ny tsy misy mpanohana intsony ity fitondrana ity. Ny mpanao politika sasany aza dia efa nandroso mazava mihitsy fa maherin’ny 90 isan-jaton’ny malagasy no maniry ny hiovan’ny mpitondra. Tsy nisy fanadihadiana sy porofo mazava anefa ny nivoahan’io tarehimarika io saingy kosa mety nalaina tamin’ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara. Ny antontan’isa azo antoka satria nivoaka tamin’ny valin’ny fanadihadiana nataon’ireo manam-pahaizana mikasika ny fampandrosoana dia maherin’ny 90 isan-jaton’ny malagasy no mahantra. Raha ny mpanao fanadihadiana politika izany no henoina dia heverin’izy ireo tsy mankasitraka ny mpitondra ireo 90 isan-jaton’ny malagasy mahantra ireo. Raha ny lojika kosa dia mety hisy fahamarinany ihany io tarehimarika io saingy tsy azo adino fa tsy ny harena ihany akory no hanohanan’ny vahoaka ny fitondrana. Izany hoe mbola azo iadian-kevitra tsara na mitombina na tsia ny filazana fa mankahala izao fitondrana izao ny ankamaroan’ny vahoaka.

Ireo mpitondra kosa anefa manizingizina sy mifikitra mafy amin’ny vokam-pifidianana nandresen’izy ireo. Fifidianana karazany efatra no efa natao dia ny an’ny Filoham-pirenena, ny solombavam-bahoaka ny ben’ny tanàna ary ny senatera. Raha atao bango tokana dia 3 sy 1 ny baolina satria nandresy hatrany ny antokon’ny mpitondra ankoatra ny tao amin’ny solombavambahoaka satria tsy mbola nanolotra kandida ny Hvm tamin’ny fifidianana depiote. Milaza anefa izy ireo fa manana ny maro an’isa eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ary nahavita nanaporofo izany hatrany rehefa misy fifidianana eny anivon’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity.

Eto no tena mipetraka ilay adihevitra mahakasika ny maro an’isa satria rehefa henoina ny fimenomenon’ireo solombavam-bahoaka dia hita taratra fa maherin’ny 90 isan-jaton’izy ireo dia tena tsy mankasitraka ny fitondrana mijoro. Rehefa injay anefa misy fifidianana tsangan-tanana na ihany koa latsa-bato miafina dia hita porofo fa mirona any amin’ny fanohanana ny fitondram-panjakana ny safidin’ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Midika izany fa tsy ny fimenomenomana sy ny fitarainana akory no hahafahana mamaritra ny fironan-kevitry ny tsirairay. Raha toa ka mbola mahasolo-tena ny vahoaka tokoa ireo depiote dia afaka miteny ny mpitondra Fanjakana fa manana ny maro an’isa na eny anivon’ny parlemanta na eny anivon’ny vahoaka tsy mandady harona.

Ireo rehetra ireo no hahafahana milaza fa tsy fenitra tsy azo ivalozana entina hanaporofoana ny fironan-kevitry ny maro an’isa intsony ny vokam-pifidianana satria tsy mitovy amin’ny fihetsiky ny olona ny safidy ataony.  Na eny anivon’ny sehatra tsy miankina aza dia mbola mampiahiahy be ary tsy voafaritra mazava ny tena hevitry ny maro an’isa. Mitaraina avokoa ireo mpiasam-panjakana sy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina fa tsy zarizary ny karama sy ny tombontsoa ho azy ireo nefa rehefa mitsangana ny mpitarika ary mitaky ny hanaovana fitokonana faobe toa mihemotra avokoa ny maro an’isa.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre