Vous êtes ici :

Vendredi 24 Janvier 2025

ombre

Dren Analamanga – Notolorona boky 140 isa

Noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny tranom-bokim-pirenena sy ny Dren Analamanga dia notolorana boky fianarana miisa 140 ity farany ho fanamafisana ny fahalalana ho an’ny mpianatra. Hita ao avokoa ny boky fianarana sy fialam-boly satria tsikaritra fa ny ankamaroan’ireo mpianatra amin’izao fotoana izao dia tsy tia mamaky boky fa variana any amin’ny aterineto. Na dia manampy amin’ny fikarohana atao aza ny aterineto dia betsaka amin’ny mpianatra no zavatra mamofoady no tena mahaliana azy ao amin’izany. Noho izany dia boky mahakasika ny pedagojia, psykolojia, teknolojia, “encyclopédie”, tantara mitohy, “roman” ary ny literatiora no natolotra. Efa hita ao amin’ny « Centre de documentation et d’information » ao amin’ny Dren izany amin’izao fotoana izao ary misokatra ho an’ireo izay liana sy tia mamaky boky ary te-hampitombo fahalalana.

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre