Fiompiana sy fanjifana omby – Rakotry ny tambazotra mpanao trafika
Misedra olana lalina ireo mpiompy omby any ambanivohitra manoloana ny famotsiana omby izay miainga avy any am-potony mihitsy. Eo ny resaka kolikoly ataon’ireo mpanao trafika, izay efa misy tambazotra matanjaka be ka miantraika amin’ny fiompiana. Ary ahiana ho tafiditra amin’ny famotsiana omby io ny lehiben’ny faritra sasany. Araka ny “arrêté inter-ministeriel” mantsy dia ny lehiben’ny faritra irery no afaka mividy ny taratasin’omby amin’ny alalan’ny fanendrena olona hitondra izany na mandateur.
« Anisan’ny taratasy manamarina ny maha-omby madio ny omby ny “Fiche Individuelle de Bovin” (Fib) izay ny lehiben’ny faritra ihany no manana fahefana hanao ny “commande” any amin’ny “imprimerie nationale” ka samy manana ny laharana voatokana ho azy ny faritra tsirairay izay mizara amin’ireo distrika sy kaominina ao anatin’izany faritra izany», araka ny voalazan’ny talen’ny trano pirinty, Randriamboavonjy Jean Angelson.
Ny zava-misy anefa dia tsy fantatra ny atao ireo Fib ireo rehefa tonga any amin’ny Faritra. Raha vidiana 65 000 ariary aty amin’ny trano pirinty izany dia lasa 400 000 hatramin’ny 600 000 ariary ny hamarotana azy any amin’ny faritra. Mahakasika ilay tranga niseho tany Tsiroanomandidy farany teo indray dia tsikaritra tamin’ireo taratasin’omby nanaovana fanamarinana fa Fib avy any amin’ny faritra Melaky no tratra tany Bongolava nefa tsy afaka misalovana ny asany sasany ny trano pirinty satria efa misy rafitra napetraka ka mijanona eo amin’ny fandraisana an-tsoratra ihany ny asa atao, hoy hatrany I Randriamboavonjy Jean Angelson.
L.N