Vous êtes ici :

Jeudi 23 Janvier 2025

ombre

Fakana an-keriny – Roalahy naiditra am-ponja, iray hafa mbola karohina

Teo anatrehan’ny asan-jiolahy sy ny fakana an-keriny niseho tato ho ato dia nisy ny fikarohana nataon’ny polisy tamin’ny fampiasana ny fanangonam-baovao sy ny fanaraha-maso ireo andian-jiolahy ary ny fanarahana ihany koa ny finday ampiasain’izy ireo. Araka ny  tatitra avy amin’ny polisim-pirenena dia olona 2 no voasambotra hatramin’izao dia  Rajaonarivony Jaona François sy Randrianantenaina Fenomampionona na i Mbitika. Iry voalohany efa nampidirina am-ponja ary ny faharoa kosa natolotra ny Fitsarana omaly. Ny 18 mey teo no voasambotra teny Isotry Jaona François, 47 taona, izay efa nanova anarana ho Rabarison Kevin tamin’ny alalan’ny karapanondro hosoka. Efa nandositra ny fonja ny tenany ny taona 2009 dia izao tratra izao, ary tamin’ny alalan’ny “bloc note” nifandraisany amin’ireo jiolahy mpaka an-keriny, indrindra ilay karana ahiahiana ho tompon’antoka voalohany amin’ny fakana an-keriny tato ho ato, no nahazoana ireo vaovao ireo.

Ny 30 may teo kosa no voasambotra teny Ambohipo i Mbitika, 33 taona rehefa nifampitadiavana hatrany Toamasina sy Brickaville. Ity farany izay voaporofo fa anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fakana an-keriny teto an-drenivohitra ny 19 aprily lasa teo tamin’ny alalan’ny fanaraha-maso ny finday nampiasainy. Mbola misy kosa ireo karohina amin’izao fotoana izao ary namoahana “avis de recherche”.  Randriambololona Princy, jiolahy iray anisan’ireo raindahiny ka ary efa nifampitadiavana hatramin’ny ela saingy tsy hita mihitsy hatramin’izao.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre