Samy te-hijabaka ho filoha avokoa !
Mbola tsy misasaka akory ny fitondran’ny Filoha amperin’asa dia efa any amin’ny fifidianana manaraka ny adihevitr’ireo mpanao politika sy ny mpanara-maso akaiky ny fiainam-pirenena. Misy ny milaza fa tokony haroso ny fifidianana ary vitaina mialohan’ny faran’ity taona ity. Maro kosa ireo efa nandrangaranga fa vonona ny hilatsaka sy handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018. Mahavelom-bolo ny fahitana fa maro ny olom-pirenena vonona sy sahy ary manan-kevitra ny hitondra an’i Madagasikara any amin’ny fiainana tsaratsara kokoa sy ny fampandrosoana tena izy. Tsy vao izao anefa no nisian’izany fa efa hatramin’ny ela. Iza tokoa moa ny firenen-dehibe hanampo fa efa nananika ny 40 isa ireo kandida nilatsaka ho filoham-pirenena teto Madagasikara tamin’ny fifidianana farany teo. Nahatsikaiky anefa ny vokatra satria tsy tambo isaina ireo nibata vokatra 1 sy 2 isan-jato ary tsy ampy nisaina tamin’ny ratsan-tanana ilany akory ireo nahazo nihoatra ny 10 isan-jato. Mampiseho io tarehimatika farany io fa toa ataon’ny mpanao politika andrankandrana sy kilalaon-jaza ny fiainam-pirenena. Mody milatsaka ho filoha, sitrany ahay mba voatendry minisitra, na praiminisitra rehefa mijoro ny governemantan’ny fisokafana. Ao ihany koa ireo tsy nanan-kambo fa dia nidina kilasy lasa nanao senatera sy ben’ny tanàna. Andrasana ato ho ato raha hisy hirotsaka ho tendrena sefom-pokontany ireo kandida filoham-pirenena nahazo ny 1 isan-jato. Raha ny isan’ny olona nifidy azy ireny tokoa no jerena dia fokontany no mendrika ho tantaniny.
Lasa ihany anefa ny eritreritra hoe inona no tena antony mahatonga ny olon-tsotra hanao politika, ary avy eo milatsaka ho filoham-pirenena. Rehefa jerena tokoa aloha dia tena Andriamanitra latsaka fahefany mihitsy izany filoha izany. Afaka managadra, afaka mampisambotra, afaka mampamono, ary afaka manao famotsoran-keloka ihany koa. Ho an’izay tsy mbola teny an-dapa dia ampahafantarina azy ireo fa vao miditra ny vavahady ny fiara mitondra ny filoha dia efa mikoropaka ny mpiasa rehetra mba hanome fanajana an’i “masoandro”. Miankohoka sy milela-paladia sisa no tsy atao rehefa mandalo ny filoha nefa dia lehilahy lehibe miankanjo fitondra mianjaika izao avokoa izany manompo azy izany. Tsy mahagaga io fomba fanao io satria rehefa akaiky ny filoha ka mahay mambabo ny fony amin’ny alalan’ny fanasohasoana dia lasa tompon’ny fahefana ihany koa rehefa tsy eo izy. Afaka mibaiko sy manampatra ny fahefana amin’ny olona rehetra. Afaka manao kolikoly sy ny fangalarana samihafa satria olona akaiky ny filoha ka tsy azo kitikitihina. Izany hoe lasa mpanan-karem-be ary mahavidy fiara sy tranobe izay tiana. Fa mbola ambany izany tombon-tsoa rehetra izany manoloana ny an’ny filoha satria izy afaka mividy na manofa fiaramanidina entina hitety izao tontolo izao. Mahazo fanasana hanatrika ny fihaonam-be iraisam-pirenena rehetra ary hajaina toy ny mpanjaka na aiza na aiza tany aleha. Santionany kely ireo fa matoa ny mpanao politika misisika ny ho tonga filoham-pirenena dia mahafantatra fa tsy voatanisa ny hery sy haja ary voninahitra aman-karena azo rehefa lasa filoha.
Adinon’izy ireo fa izany filoha izany anie no olona voalohany tokony hanompo ny vahoaka eo amin’ny firenena izay tantaniny. Na inona na inona tsy mety mitranga dia tsy afa-miala ny filoha fa izy no iangonan’ny rihitra rehetra satria izy no tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny firenena. Sitra-po ny azy no nilatsaka ho fidiana sy nandresy lahatra ny vahoaka nifidy azy, misy aza moa mahavita mangala-bato mihitsy mba ho lany. Rehefa tonga eo anefa dia manilika andraikitra sy mialangalana hatrany rehefa misy ny tsy fahatomombanan’ny fampanantenana natao. Ailika any amin’ny hafa hatrany ny fahadisoana nefa ny filoha no te hitondra fa tsy nisy na iza na iza nanery azy. Tena toerana sy andraikitra sarotra no mitambesatra amin’izany filoham-pirenena izany satria ny alahelom-bahoaka rehetra miampy ozona sy fiantsoana tody dia mitambesatra aminy avokoa. Amin’ny firenena maro maneran-tany dia izany filoham-pirenena izany no halam-bahoaka indrindra na dia voafidin’ny maro an’isa aza. Koa asakasak’izy mifofotra mafy mba hahazo ny toeran’ny filoham-pirenena!
Ravalo tsy Manana