Vous êtes ici :

Samedi 11 Janvier 2025

ombre

Tsy fihinana ny lalana sady mamono !

Ny lozam-pifamoivoizana no anisan’ny antony mahafaty olona betsaka indrindra eto Madagasikara isan-taona. Tsy vitan’ny mamono mahafaty fotsiny ihany fa sady mampitondra takaitra no mahavery fananana. Tsy hita pesipesenina ny fatiantoka sy harena very nohon’ny lozam-pifamoivoizana. Maro ihany koa ireo olomangan’ny firenena ka anisan’izany i Om-Guy mpanakanto malaza, sady mpanao politika no mpanabe sy mpanao asa soa. Tao anatin’ny minitra vitsy dia vita ny aminy noho ny hetraketraky ny lozam-pifamoivoizana tsy nampoizina. Tsy izy irery anefa fa malagasy maro no nandao ny tany tsy fidiny nohon’ny fifandonana na ny fivadihan’ny fiara notaingenana. Misy ireo mpanatsatso milaza fa ny fandehanana mafy sy ny tsy fitandremana no mahatonga ireny loza ireny. Ao ihany koa ireo mpanakora fa ny tsy fahatombanana ara-tekinikan’ny fiara sy ny hamamoan’ny mpamily no tena fositra. Na inona na inona tombatombana sy fanazavana dia tsy misy olona nivoaka ny trano, nandray fiara ary nandeha tamin’ny lalana mba hamono tena na ho faty. Tsy hisy mpamily na iray aza hanao fanahy iniana hidona na hivadika amin’ny fiara nentiny fa tsy ampoizina sy tsy mampandre ny loza.

Misy ihany anefa ny fepetra azo raisina hisorohana ireny loza mahafaty ireny dia ny fampiharana sy ny fanarahana ny lalàna. Izany indrindra no antom-pisian’ny fitondram-panjakana sy ny minisitera ary ny sampan-draharaha maro misahana manokana ny fitaterana sy ny fifamoivoizana amin’ny ankapobeny. Misy lesoka ny fandaminan’asa eo amin’ireo sampan-draharaha ireo ka izay no mampitombo be ny lozam-pifamoivoizana eto Madagasikara. Voalohany amin’ireny ny eny anivon’ireo sekoly manokana mampianatra ny familiana sy ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Maika ny hitango volan’olona fotsiny izy ireny ka tsy mampianatra tsara araka ny tokony ho izy akory. Avy eo dia amporisihiny hanao kolikoly ireo mpianatra amin’izay mahazo ny fahazoan-dalana hamily ihany na tsy mahay mitondra fiara akory aza. Faharoa voakasik’io olana io ny eo anivon’ny sampan-draharaha miandraikitra ny fanadinana sy ny fanomezana fahazoan-dalana hamily satria dia marobe amin’ireo mpanadina no manao kolikoly ka tsy te hahalala fa izay manome vola dia ekena ho afa-panadianana avokoa. Fahalovana araka ny fitenenana no misy satria miray petsapetsa mihitsy ireo tompon’andraikitry ny sekoly mpampianatra mamily sy ireo mpanadina amin’ny famporisihina ireo mpiadina hanao kolikoly.

Fahatelo kosa dia voaresaka manokana ireo tobin’ny zandary izay manao ny fitsarana ara-teknika ny fiara izay afaka mifamezivezy. Misy kolikoly eny ary maro ny fiara no tsy miatrika fitsirihana sy fitsarana akory fa ny taratasy fotsiny no alefa dia azo ny fahazoan-dalana. Tsy mahagaga raha misy ny tsy fahatomombanana ara-teknina ary manampy trotraka izany ireo mpitandro filaminana misava eny an-dalana izay mitango kolikoly fotsiny no ataon’izy ireo. Na tsy ara-dalàna sy tsy tomombana aza ny taratasin’ny fiara ary na hahehoana fofon-toaka aza ny mpamily dia avela mandeha ihany rehefa mandoa vola kely amin’ireo mpitandro filaminana.

Fahefatra izay sady lehibe indrindra dia ny minisitera mpiahy ny fanamboaran-dalana satria iaraha-mahita fa zara raha-misy ireo toromarika famantrarana ny fampiasana lalana manerana ny Nosy. Lasa tsianjery sy mandeha an-jambany fotsiny sisa ny mpamily koa tsy mahagaga raha maro ny loza. Na ny takela-by mametra ny hafainganam-pandeha sy fahazoana misongona aza, zara raha misy manerana ireo lalana an-tanan-dehibe sy any amin’ny lalam-pirenena. Tato ho ato izao dia nalaza be ny fametrahana “radara” eny amin’ny Masay sy ny By pass nefa rehefa zohina dia tsy manara-dalàna izay tompon’andriakitar nametraka izany. Tsy misy akory mantsy takela-by mametra ny hafainganam-pandeha eny amin’ireny toerana ireny.

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre